• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Hanamafy ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sehatra misy azy

13/08/2024 16:00 © Moov

Nanatanteraka fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny Solombavam-bahoaka miisa 58 avy ao amin’ny Vovonana IRMAR, androany. Ny Filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin no nitarika azy ireo tamin’izany. Nandritra izany indrindra no nanamarihany fa hametraka paikady hiadina amin’ny kolikoly ny avy ao amin’ity rafi-panjakana iray ity.

Hisy ny fanaraha-maso

Tanjon’itony fanambaram-pananana itony ny hialana amin’ny mety ho kolikoly na fananan-karena tampoka amin’ny antony tsy dia mazava. Raha araka ny lalàna dia hatao matetika ity fanambaram-pananana ity ary tsy maintsy manatanteraka izany avokoa ny Solombavambahoaka. Hametraka paikady vaovao ny Antenimierampirenena raha ny fanazavan’izy ireo mba hahafahana miady amin’izay kolikoly izay. « Manambara izao fihetsika izao fa vonona hanatanteraka ny asa lavitry ny kolikoly sy hiady amin’izany izahay. Aorian’izao dia tsy maintsy hisy ny fanaraha-maso mafy ny fanambaram-pananana tokony tanterahin’ny tsirairay », hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Tokely Justin. Mbola manana paikady vaovao ihany koa izy ireo hiadiana amin’ny kolikoly sy hanafoanana izany ao amin’ity Andrim-panjakana ity. Nanamarika ihany koa ireo Solombavambahoaka izay tonga fa porofo izao ataon’izy ireo izao fa vonona hiasa ao anatin’ny mangarahara izy ireo mandritra ny fe-potoam-piasany.

Fanarahan-dalàna

Tsara ny manamarika fa ny andininy faha-41 ao amin’ny lalam-panorenana sy ny andininy faha-49 ao amin’ny lalàna fehizoro no mamaritra ny tsy maintsy hanatanterahana ity fanambaram-pananana ity. Izany no maha-zavadehibe izany fihetsika izany. « Ao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka no antony nanatanterahana ity fihetsika androany ity. Tokony mbola hanao izany ihany koa ireo Solombavambahoaka miisa 105 ambiny alohan’ny hanatanterahana ny asa rehetra », hoy hatrany ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Manamafy ny tokony hanatanterahana izany ihany koa ny andininy faha-42 ao amin’ny lalam-panorenana. Milaza izany fa ny asa sahanina amin’ny andrim-panjakana dia tsy tokony ho loharanon-karena tsy ara-drariny na fitaovana ampiasaina ho tombontsoan’ny tena. Izany indrindra no nanentanan’ity Filoha ity ny hanatanterahana ny fanambaram-pananana.

Lire la suite

Articles Similaires