• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Tany Meva
Image
Vaovao

Fiarovana ny tontolo iainana : Tetikasa miisa 7 nahazo tohana avy amin’ny Fondation Tany Meva

13/08/2024 15:02 © Moov

Hampandraisina andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny Vondron’Olona Ifotony (VOI). Tetikasa miisa fito avy amin’izy ireo ao amin’ny faritra Boeny sy Afovoan-tany no nahazo tohana avy amin’ny Fondation Tany Meva. Natao indrindra hanampiana azy ireo sy hiarovany ny tontolo iainana ireo tetikasany ireo. VOI miisa efatra no voasafidy tao Boeny (VOI Herisoa, VOI Safidy Mandroso, VOI KMTA , VOI Mamelonarivo) ary telo teto afovoan-tany (OI Sahatsinjo Sakaizan'ny Voahary, VOI Imaitsoanala ary ny Fikambanana Aingavao)

Mivelona amin’ny fambolena

Tantsaha maro be mivelona amin’ny fambolena avy ao amin’ireo faritra ireo ary mikambana ao anatin’ny VOI no tohanana amin’ity hetsika ity. Anisan’ny mason-tsivana nisafidianana ireo tetikasa ny fiarovany ny tontolo iainana. Ankoatra izay anefa dia afaka mivelona amin’ny alalan’io asa hataony io ireo tantsaha. Hita ao anatin’izany ohatra ny voly voanjobory sy sakamalaho ary ny fiompiana trondro sy ny maro hafa. Tohanana araka izany ireo tetikasa natolotr’ireo VOI mba haharitra sy hahomby amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. « Miara-miasa amin’ny Madagascar National Parks izahay ho an’ny faritra Boeny ary ny Fikambanana Fanamby ho an’ny Afovoantany. Ireo roa ireo no hanampy sy hanohana ireo tantsaha eny ifotony amin’ny faharetan’ny tetikasa », hoy ny avy ao amin’ny Fondation Tany Meva. Ny tanjona araka izany dia ireny zavatra vokariny ireny indray no entina manohana ny fikambanana sy manampy ny fidirambola hahafahany manohy ny fiarovana ny tontolo iainana.

50 tapitrisa hatramin’ny 200 tapitrisa ariary

Lelavola lehibe no entina hamatsiana ireo tetikasa ireo mandritra io dimy taona io. Samihafa kosa izany ho an’ny tetikasa tsirairay sy ny asa ary ny fahafahan’ny VOI sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. « Manomboka eo amin’ny 50 tapitrisa ariary hatramin’ny 200 tapitrisa ariary izany fanampiana ara-bola izany mandritra ireo dimy taona ireo. Ao anatin’izany dia ny fametrahana ny drafitra stratejika vaovao no himasoan’ny Fondation sy ny fanatanterahana ny tombana. Anjaran’ireo mpanohana kosa ny manampy hatrany ireo VOI », hoy ny Tale Mpanatanteraka ao amin’ny Fondation Tany Meva. Notanterahina omaly moa ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ireo fikambanana roa sy ireo Vondron’olona ifotony amin’ny Fondation Tany Meva.

Lire la suite

Articles Similaires