• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy - Yali 2023
Image
Vaovao

Fahaiza-mitarika : Tanora 700 aty Afrika no hisitraka ny YALI Mandela Washington Fellowship 2025

13/08/2024 12:54 © Moov.Mg

Misokatra androany 13 aogositra 2024 indray ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora mpitarika maniry hisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship 2025, izay paraograman’ny governemanta amerikanina ho an’ny firenena Afrikanina.

Tanora afrikanina mpitarika

Tamin’ny taona 2014 no namoronan’ny governemanta Amerikanina ny YALI Mandela Washington Fellowship 2025, izany hoe : mankalaza ny faha-10 taonany izao ity praograma amerikanina ity. Ireo tanora afrikanina mpitarika, 25 ka hatramin’ny 35 taona, izay nampiseho fahaiza-mitarika sy fahafoizan-tena ho fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy, no iantefany. Tanjon’ny governemanta amerikanina, tamin’ny namoronana azy, ny hanohanana ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny fitantanana demôkratika ary ny fandriampahalemana aty Afrika. Tanora 700 isa aty amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara no hofantenan’ireo masoivoho Amerikanina amin’ity andiany ity, ka tafiditra ao anatin’izany ny tanora malagasy. Hatramin’ny niforonany kosa dia efa nahatratra 110 ireo tanora Malagasy nisitraka ity vatsim-piofanana ity. Ny Governemanta Amerikanina no mamatsy vola ny YALI ary ny International Research & Exchanges Board (IREX) no mitantana azy.

Fandraharaharana sy fitantanana

Hianatra momba ny fahaiza-mitarika any amin’ny oniversite Amerikanina, mandritra ny enina herinandro, ireo tanora izay ho voafantina ; hianatra momba ny fandraharaharana sy ny fitantanana fikambanana sy rafitra tsy miankina amin’ny Fanjakana, ary koa ny fitantanan-draharaham-panjakana. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony izay hatao any Washington, D.C. ihany koa izy ireo, ka ho afaka hihaona amin’ireo Amerikanina mpitarika eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana. Aorian’ny fahavitan’ny fiofanana dia mbola hisitraka fanohanana isan-karazany avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerikanina ireo mpandray anjara amin’ny YALI Mandela Washington Fellowship, toy ny fanohanana ara-bola ho an’ny tetikasan’izy ireo. Ao amin’ity rohy ity : mwfellows.info/apply no ahafahana misoratra anarana sy mahazo ny fanazavana fanampiny, ho an’ireo liana amin’ity vatsim-piofanana ity.

Lire la suite

Articles Similaires