• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aft
Image
Vaovao

Fialam-boly : Mirona kokoa amin’ireo kilalao amin’ny teknolojia vaovao ny ankizy amin’izao

13/08/2024 12:35 © Moov

Maro ary hitombo hatrany ireo mpianatra sy ny ankizy Malagasy no tsy mahay sy tsy mahalala akory ny karazana kilalao malagasy. Mirona kokoa amin’ny kilalao amin’ny finday sy ny fahitalavitra ary ny solosaina kokoa ireo ankizy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny manimba anefa ireny ka izany indrindra no anton’ny « Salon des jeux de société » ao amin’ny Alliance Française (AFT) Andavamamba hatramin’ny 20 aogositra izao.

Kilalao vaovao

Katro sy fanorona no tena anisan’ny manamarika ny kilalao malagasy. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa miha-vitsy ny ankizy sy ny tanora mahay izany. Raha ny fanadihadiana izay natao ohatra dia 3 amin’ny folo no mahay fanorona amin’ny ankizy manodidina ny 14 taona. Matetika dia ny Ray aman-dReny mihitsy no tsy mampahafantatra izany intsony. Ao ihany koa ny tsy fahalianan’ny ankizy amin’ireny karazana lalao ireny. Amin’ity salon des jeux de société ity araka izany dia azo lazaina ho ireo lalao fahiny ireo ihany no navaozina ka entina ho an’ireo ankizy amin’izao fotoana izao. « Marina fa mahaliana ny kilalao ao anaty solosaina sy finday izay vita vahiny. Efa manana ny mampiavaka antsika ihany koa isika ary fotoana iray natao hivoahana sy ahitana zavatra hafa atao no anton’ny hetsika. Isan-karazany ireo kilalao hiarahana manao ao anatin’ity salon ity », hoy ny Filoha Mpanatanteraka ny AFT. Anisan’ny ho hita ao ohatra ny « echec », « uno sans pitié », « Mada memory », « loup garou », « trimobe » sy ireo kilalao maro be isan-karazany. Samy hanana ny fandaharam-potoany kosa ireo kilalao rehetra mandritra io herinandro io ary maimaimpoana avokoa ny fandraisana anjara.

Kilalao taloha

Raha ny fanazavan’ireo ankizy mandray anjara amin’ity salon ity dia maro ny antony tsy mahasarika azy ireo intsony amin’ny kilalao nentim-paharazana. « Efa tsy lamaody intsony », « tsy nisy nampianatra na nampahafantatra », « tsy mahaliana mihitsy ny milalao azy », hoy ny fanazavan’ireo tanora sy ankizy izay nanontaniana. Amin’ny ankapobeny dia ny fanorona irery sisa no be mpahalala. Mbola ao anatin’izany anefa ireo kilalao hafa toy ny tsobato, avy mangataka, ara-jiro sy ny maro hafa. Azo lazaina ho mitaiza ny vatana sy ny saina anefa ireny kilalao ireny. Ireo ankizy any ambanivohitra sisa no hany mamelombelona azy ireny. Inona no azo atao hanarenana izany?

Lire la suite

Articles Similaires