• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fiompiana landy : Misedra olana noho ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fampiasana vokatra simika

13/08/2024 11:28 © Moov

Mitombo ny olana sedrain’ny mpiompy landy sy ny mpamokatra lamba landy. Noho ny fahasoimban’ny tontolo iainana, tsy afaka mamokatra zanaka landy ny biby ary miteraka tsy fahatomombanana ny fampiasan’ny olona aty ivelany ny vokatra simika. Mihena ny lamba afaka vokarina ka mampiakatra ny vidiny hoy ireo mpamokatra avy ao Antanetibe Mahazaza, izay mivondrona ao amin’ny orinasa Mada soie.

Mila ala sy fitandremana be

Avy amin’ny landy be na ny « soie sauvage » no tena mamokatra landy betsaka ka hahafahana maka ny taranany. Any anaty ala anefa izy ireo no mivelona ka ny fahasimban’ny ala sy ny doro tanety no tena olan’izy ireny amin’izao fotoana izao. « Mihena ny ala dia miha-vitsy ny landy be afaka manatody. Miainga amin’izy ireny anefa no hahafahana maka ny taranany. Sahirana ny tantsaha amin’ny famokarana ireo biby ka manomboka miha-lafo ny akora fototra ilaina. Ankoatra ny fanifian’ny ala anefa dia olana amin’ireo biby ihany koa ny fampiasan’ny tantsaha hafa vokatra simika. « Bibikely tena marefo ny landy ka tsy tokony hanakaiky toerana mampiasa vokatra simika matetika. Efa hampiofanina amin’izany ihany koa moa ireo mpiompy landy. Saingy manidina ny vokatra simika ka tena sahirana amin’ny fivelomany ireo biby ireo », hoy i Randrianarivony Barizaka, miandraikitra ny fiompiana landy sy fanodinana izany ao amin’ny Mada Soie. Manana tantsaha mpamokatra hatramin’ny 300 izy ireo amin’izao fotoana izao. Hampianarina mba hikarakara ireo biby ireo tantsaha hiarovana ny faharinganany.

Vokatra natoraly

Amin’izao fotoana izao, raha ho an’ity orinasa iray ity dia vokatra natoraly no vokarin’izy ireo. Manomboka any amin’ny fiompiana sy famokarana ny akora fototra hatrany amin’ny famoahana ireo lamba landy dia vita amin’ny tanana avokoa. « Natoraly avokoa ny asa tanana rehetra. Na hatramin’ny loko ampiasaina aza dia natoraly avy amin’ny zava-maniry sy ny fakany. Ireo izay mila loko hafa kosa no tsy maintsy hikarohana loko natao ho an’ny landy », raha ny fanazavan’ny Mada soie avy ao Antanetibe Mahazaza hatrany. Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny 30 000 ariary hatramin’ny 150 000 ariary ny vokatr’izy ireo. Hatreto dia mbola ny lamba fitafy sy « foulard » ihany no vokariny. Mbola tsy misy araka izany ny lambamena na lambandrazana. Nanamafy ihany koa izy ireo ny hanomezana lanja ity asa tanana ity satria manomboka manadino ny fampiasana izany ny Malagasy. Ny vahiny indray no zary maro mankafy azy.

Lire la suite

Articles Similaires