• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Manampy ireo mponina any Androy sy Anosy ny voly hataon’ny ONG CTAS

13/08/2024 09:12 © Moov

Mponina efa aman’aliny amin’izao fotoana izao no efa misitraka sakafo ara-pahasalamana avy amin’ny ezaka hataon’ny ONG Centre Technique Agro-écologique du Sud (CTAS). Efa 11 taona amin’izao fotoana izao ity ONG ity ary efa tokantrano hatramin’ny 13 263 no misitraka ny asa ataony. Any Androy sy Anosy izy ireo no tena miasa ary efa manomboka miasa amin’ny ampahany amin’ny Mananjary ihany koa. Any Ambovombe sy Anosy izy ireo no tena miasa ary efa manomboka miasa amin’ny ampahany amin’ny Mananjary ihany koa.

Voly mahazaka tarin’andro

Sady mampiofana no mamboly no mikaroka ity ONG ity. Araka izany dia nisafidy manokana mihitsy izy ireo ny hanampy ny olona any amin’ny faritra Atsimo amin’ny alalan’izany rehetra izany. Vokatr’ireo fikarohana ireo ihany koa dia voly mahazaka ny toe-tany sy toetr’andro any no tena nokarohina. « Araka ny fantatra dia toerana ahitana hain-tany betsaka na rotsak’orana kely ihany koa ity toerana ity. Tao anatin’izany no nahatonga ny eritreritra hampiroborobo ireo fambolena mety amin’izany toetr’andro izany », hoy i Miora Rakotomanga, mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny ONG CTAS. Voly ambatry (cajanus), apemba (sorgho), raketa malama (cactus inerme) ary bajiry (mil) ireo voly manamarika ireo mponina ireo. Manampy amin’ny famenoana ny tsy fanjarian-tsakafo ireo ary mahavokatra betsaka hatrany isan-taona. Anisan’ny mamokatra ireo masom-boly ireo ihany koa izy ireo. Efa manana tantsaha mpamokatra masom-boly hatramin’ny 1 219 izy ireo amin’izao, vehivavy ny 388 amin’ireo. Hatramin’izay niforonan’ny ONG ihany koa dia nahavokatra masom-boly hatramin’ny 1 099,85 taonina izy ireo.

“Bloc agroécologique”

Raha ho an’ny ambatry manokana dia ny fiarovana ny voly hafa amin’ny tiomena no tena tanjona. Afaka manakona ny rivotra sy ny fasika tsy hanimba ny voly izy io. « Hambolena ambatry ny sisin’ny tanim-boly. Ny bloc agroécologique rahateo dia velaran-tany nohajarina manokana mirefy 10 ha farafahakeliny, izay misy ireo karazana teknika agroekolojika rehetra. Anisan'izany teknika izany ny kalan-tioka (brise vent) toy ny ambatry izay hevitra nahomby hatrany am-boalohany satria rehefa tonga ny tiomena dia misy ireo voly hafa avotra ao anatin’io bloc io ka manana hoanina ireo mponina », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Amin’izao fotoana izao dia efa hatramin’ny 5 005 hektara ny bloc agroécologique voajary. Anisan’ny fanamby anefa io fambolena io satria fady ho an’ireo mponina any Atsimo any io karazana fambolena io. Ankehitriny dia maro ireo tantsaha mahazo tombony amin’izany. Ankoatra ny fiarovana amin’ny tiomena, afaka hoanina ny voany, afaka atao kitay ihany koa ary ny raviny afaka omena ny biby fiompy.

Lire la suite

Articles Similaires