• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fiarovana ny « La Reine d’Isalo » : Namoaka didim-pitondrana ny kaominina Kaominina Ranohira

13/08/2024 08:40 © Moov.Mg

Mahasarika mpizahatany maro i Isalo Ranohira, indrindra rehefa fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Mazàna anefa no isehoana karazana fanimbana amin'ity faritra arovana ity, ka nandray fepetra ny eo anivon'ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Ihorombe, ho fisorohana ny tranga mamohehatra.

Manintona mpizahatany

Nahatratra 1 828 ny isan'ireo olona tonga nitsidika ny valan-javaboaharin'Isalo, any amin'ny Faritra Ihorombe, tao anatin'ny enim-bolana voalohan'ity taona 2024 ity, raha toa ka 1 650 isa izany tamin'ny taona 2023, izany hoe : nisy fiakarany 9%. Mpizahatany tera-tany vahiny ny 1 309 isa tamin'ireo ary Malagasy kosa ny 519. Ireo antontan'isa ireo no manaporofo fa mihamanintona olona hatrany i Isalo. Na faritra arovana aza anefa ity valanjava-boahary ity dia isehoana endrika fanimbana isan-karazany. Vao herinandro mahery lasa izay no nahitana firehetana vokatry ny doro tanety, manodidina ny "Fenêtre d'Isalo". Etsy an-daniny, misy amin'ireo olona miakatra eny amin'ny "La Reine d'Isalo" no manoratsoratra amin'ity vato mampalaza an'Isalo ity.

Fanadiovana sy fanentanana

Manoloana izany dia nisy ny fivoriana niarahan'ny Ofisim-paritry ny Fizahantany ao Ihorombe (ORTI) tamin'ny Madagascar National Park, izay mitantana ny valan-javaboaharin'Isalo, ny kaominina Ranohira ary ny mpitandro ny filaminana. Taorian'izay dia nisy ny didim-pitondrana kaominaly navoaka, izay mamaritra ireo sazy mihatra amin'ireo izay manimbazimba ireo vato ao anatin'ny valanjava-boaharin'Isalo. Tafiditra tanteraka ao anatin’ireo vako-pirenena ny « La Reine d’Isalo », izay hita eo amin’ny vola arivo ariary, ka mendrika ny ho tandrovana, hoy ny ORTI, manazava izao fanapahan-kevitra izao. Efa nisy ihany koa moa ny fanadiovana notanterahin’ny ORTI niaraka tamin’ny kaominina Ranohira, narahin’ny fanentanana ireo mpianatra tonga mitsidika any an-toerana, ary koa ireo mpizahatany rehetra, na tera-tany vahiny na malagasy, mba samy hanaja ity valan-javaboahary ity.

Lire la suite

Articles Similaires