• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Atrikasa : Miomana sahady amin’ny mety ho ambana amin’ny fampiasana fitaovam-piadina mahery vaika i Madagasikara

12/08/2024 16:39 © Moov

Manatanteraka atrikasa miaraka amin’ny Filankevitry ny fiarovana eo anivon'ny Firenena mikambana mikasika ny fifanarahana momba ny fitaovam-piadiana biôlôjika ny Ministeran’ny Foloalindahy. Haharitra telo andro izany, izay hifarana ny alarobia izao. Tanjon’ity atrikasa ity ny ho fanamafisana ny fantanterahana ny « Résolution 1540 ».

Fitaovam-piadiana nokleary, simika ary biôlôjika

Nanaiky tao anatin’ny Firenena Mikambana i Madagasikara fa tsy hampiasa na hanaiky ny fampiasana ny fitaovam-piadiana nokleary, simika ary biôlôjika. Izany indrindra no voarakitr’ity « Résolution 1540 » ity. Etsy andaniny anefa dia anisan’ny firenena maro mpivezivezy eto Madagasikara ka mbola manano sarotra ny mety hiadiana amin’izany. Araka izany dia efa miomana sahady amin’izany isika eto Madagasikara amin’izao. « Na ho ela na ho haingana dia mety ho tafiditra eto amintsika ihany ireo. Tsy maintsy miomana mialoha isika ka izay indrindra no anton’ity atrikasa ity. Tsy hoe rehefa misy tranga vao mandray andraikitra fa mila atao mialoha izany », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, nanatrika ny atrikasa androany. Manam-pahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana no mizara ny traikefany amintsika eto Madagasikara. Ao anatin’izany ireo tafika Malagasy dia afaka manamafy ny fahaiza-manaony.

Manana drafitra roa

Anatin'io fehin-kevitra 1540 (2004) voalaza io, ny Filankevitry ny filaminana dia nanapa-kevitra fa : "Ny Firenena mpikambana rehetra dia tsy afaka manome fanohanana na inona na inona endriny, ho an'ireo mpisehatra tsy miankina amin'ny fanjakana manandrana mamolavola, manamboatra, mitazona, mitondra, mamindra na mampiasa nokleary simika na biolojika, na koa fitaovam-piadiana sy izay fomba hanatanterahana izany”. Ho an’ny Madagasikara manokana dia efa manana drafitra miisa roa isika manoloana izany olana izany. Ny iray tamin’ny taona 2019 ary ny iray efa andalam-pamaranana. Ny fanamafisana ny fandrafetana ireo drafitrasa nasionaly novolavolaina tamin'ny taona 2019 izay nohavaozina ho an'ny taona 2023 # 2026 no nampiharana azy ho antsika Malagasy. Niarahaba an’ny Madagasikara ihany koa ny avy ao amin’ny Firenena Mikambana, izay solointenan’i Josiane Yaguibou, izay Filohan’ny UNFPA eto, ny amin’ireo drafitrasa izay efa hananana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires