• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Tsy fandriampahalemana : Omby hatramin’ny 100 lasan’ny dahalo sy Zandary iray maty tany Bekily

12/08/2024 15:41 © Moov

Nidiran’ny dahalo indray ny tanàna antsoina hoe Ambilomena ao amin’ny Kaominina Tanandava izay hita ao amin’ny Distrikan’ny Bekily, omaly alina. Omby miisa hatramin’ny 100 no lasan’izy ireo tamin’izany ary Zandary iray no namoy ny ainy nandritra ny fanarahan-dia, raha ny tatitra avy any an-toerana.

Tsy ampy isa ny Zandary

Anisan’ny toerana iray efa faritra mena amin’ny asan-dahalo ity toerana ity. Mora kokoa amin’ireo dahalo ny mitsoaka noho ny fahavitsian’ny mpitandro filaminana sy ny toerana izay ahitana kirihitr’ala. « Mbola tsy misy Tobin’ny Zandary eto Tanandava fa vitsy izy ireo no miasa aty aminay. Mampirongatra ny asan-dahalo izany satria be noho ny vitsy hatrany ireo dahalo. Etsy andaniny anefa dia mitam-basy izy ireo ka sarotra ny fanarahan-dia », hoy ny mponina avy any an-toerana. Nandritra ny fifandonana tao amin’io ala io no nahalavo ny Zandary iray. Araka izany dia niato kely ny fanarahan-dia ary niandry fanampiana avyamin’ireo Zandary manodidina ny monina. Amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany izany fanarahan-dia izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny mpitandro filaminana no hanatanterahana izany fanarahan-dia izany. Efa maro ireo sakana napetraka amin’izay mety ho lalana ho diavin’ireo dahalo.

Mila CSAO

Mangataka ny hametrahana Centre spécial d’aguerrissement opérationnel (CSAO) any an-toerana ireo mponina any amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia toby hitoeran’ny zandary ho maromaro kokoa ny CSAO ka afaka ny ahetsika hanenjika dahalo. « Mandray andraikitra tsara mihitsy ny miaramila sy ny Zandary aty aminay saingy tsy ampy ny isany ka tokony hampitomboina amin’ny alalan’ny fametrahana ity CSAO ity », hoy hatrany ireo mponina. Nanamarika ihany koa izy ireo fa raha tamin’ity taona 2024 ity manokana dia efa eo ho eo amin’ny 2 000 eo ny omby lasan’ireo jiolahy teo amin’ny manodidina ny Kaominina Beraketa sy Tanandava. Efa ampolony ihany koa ny olona maty ary zandary ny 5 amin’izy ireo. Efa voasokajy ho faritra mena rahateo ity toerana ity ka izany indrindra no hangatahan’izy ireo ny fananganana ny CSAO. Mety mbola ho ela anefa ny fananganana fotodrafitrasa lehibe toy izany ka ny hampitomboana ireo Zandary no tokony ho vahaolana mialoha, hoy ireo mponina.



Lire la suite

Articles Similaires