• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chu Andohatapenaka
Image
Vaovao

Faha-10 taonan’ny hôpitaly Andohatapenaka : Hisy fandidiana maimaim-poana ho an’ireo sahirana

12/08/2024 15:35 © Moov.Mg

Mankalaza ny faha-10 taona nisiany ny Centre Hospitalier Universitaire Andohatapenaka, izay fantatry ny maro amin’ny hoe : hôpitaly manara-penitra Antananarivo. Fandidiana maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana sahirana no isan’ny ho entina manamarika izany.

Hôpitaly manara-penitra

Raha tsiahivina dia ny 22 janoary 2014 no notokanan’ny filoha Andry Rajoelina ny CHU Andohatapenaka. Izy ity no hôpitaly faha-6 notokanany, nandritra ny fotoanan’ny tetezamita, izay izy no filohany tamin’izany fotoana izany, taorian’ireo hôpitaly manara-penitra tany Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara. Manana sampandraharaha maro ny hôpitalin’Andohatapenaka, toy ny fiterahana, ny fitsaboana nify, ny fitsaboana homamiadana, ny fitsaboana ny faritry ny loha… Ho fanamarihana ny tsingerin-taona faha-10 nijoroany dia mikarakara fandidiana maimaim-poana ity hôpitaly ity, ka ireo fianakaviana tena sahirana no iantefan’izany. Araka izany, ho voafetra ihany ny isan’ny olona ho afaka hisitraka ity fandidiana maimaim-poana ity. Amin’ny volana septambra ho avy izao no hanatanterahana izany.

Fizahana maimaim-poana

Ny momba ny fandidiana ny faritry ny loha (ORL) no tena hiompanana, izany hoe : ny fandidiana ampongan-tsofina sy taolan-tsofina, ohatra, raha ho an’ny sofina ; ny fandidiana fivontosana ao anaty orona na kambon’orona… ; ny fitsaboana sy fandidiana ireo karazana fivontosana na aretina hafa mahazo ny ati-vava… Mialohan’ny fandidiana dia hisy ny fizahana, izay efa natomboka androany alatsinainy 12 aogositra, mitohy ny alarobia 14 aogositra ary koa amin’ny zoma 16 aogositra 2024 izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro. Hiarahan’ireo mpitsabo manam-pahaizana momba ny « ORL » eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, amin’ireo delegasiônina mpitsabo avy any Torkia, izao hetsika fandidiana maimaim-poana izao. Maimaim-poana tahaka izany ihany koa ny fanafody, araka ny fantatra.

Lire la suite

Articles Similaires