• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aina Jimm
Image
Vaovao

Fahamaizana : Trano miisa 17 kilan’ny afo teny Andavamamba Anjezika faharoa

12/08/2024 13:36 © Moov

Nitrangana fahamaizana trano teny Andavamamba Anjezika faharoa ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo tamin’ny 3 ora maraina. Trano hazo miisa 17 no kila tsy nisy azo noraisina tamin’izany. Tonga namono ny afo ny sampana mpamonjy voina ka voafehy izany tamin’ny 4 ora sy 15 minitra teo ho eo.

Zazavavikely may

Zazavavikely iray 12 taona no may teo amin’ny tongony sy ny tanany vokatr’io firehetana io ary efa nalefa notsaboina eny amin’ny Hôpitaly ny tenany. « Efa nirehatra ela ela vao hitanay hoe misy afo ka izay no nahatonga ny fahamaizan’io zaza io satria saika tavela tao anaty afo izay heverina ho niantombohan’ny firehetana ny tenany », hoy ireo mponina nanatrimaso, sady traboina. Marihina ihany koa fa trano fonenana ny 11 tamin'ireo ary tsena kosa ny 6 ambiny. Anisan’ny nanampy trotra ny firehetana araka izany ny fisian’ireo tsena izay nivarotra hazo, kodiarana fiara ary menaka. Singa miisa telo samy afaka manampy amin’ny fampirehetana afo avokoa. Teo amin’ireo toerana ireo rahateo no tena lasibatry ny afo raha ny tatitry ny Vondrona Mpamonjy voina.

Nitondra fanampiana ny BNGRC

Raha ny fanazavan’ireo avy ao amin’ny Fokontany Andavamamba Anjezika faharoa hatrany dia misy amin’ireo traboina no tsy naharay na inona na inona intsony. Misy ireo sady tsy misy trano intsony no tsy misy lamba fitafy sy firakotra amin’izao fotoana izao fa may tanteraka tao avokoa. Araka izany, tsy niandry ela fa iny alina iny ihany dia nidina ifotony teny an-toerana ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja. Nijery ifotony ny fahavoazana no sady nitondra fanampiana vonjy rano vaky ho azy ireo ny tenany tao anatin’izany. Nitondra vary, menaka, voamaina, lamba firakotra, lamba fitafy sy kojakojan-dakozia toy ny vilany, sotro, vilia mba ahafahan'izy ireo mikarakara sakafo tamin’iny alina iny. Ankoatra izay, nanolotra vola entina hitsaboana vonjimaika ilay zaza may ity Tale Jeneraly ity. Manomboka ny androany kosa dia handray antanana ny fitsaboana azy tanteraka ny avy ao amin’ny BNGRC.

Lire la suite

Articles Similaires