• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ipr
Image
Vaovao

Résultat Bac 2024 : Efa hivoaka ny voka-panadinana ho an'i Fianarantsoa

12/08/2024 11:41 © Moov

Ho tanterahina ny Alarobia 14 Aogositra 2024 izao ny délibération ao amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa. Antenaina hivoaka amin'ny faran'ny herinandro izao izany ny "Résultat Bac" raha ela indrindra.

Ezaka manokana nataon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny famoahana haingana ny valim-panadinam-panjakana tamin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Tamin'ny fanadinana BEPC sy CEPE, samy namoaka ny vokatra avy hatrany ireo CISCO mahavita ny fitsarana sy ny firaketana ny naoty. Ho an'ny Bakalorea kosa dia isam-paritany no hamoahana ny vokatra, noho ny fisian'ny délibération, izay tsy maintsy atao eny anivon'ireo "Office du Baccaluréat" eny amin'ny Oniversitem-panjakana. Ny ao Fianarantsoa ohatra dia ny Alarobia 14 Aogositra ny "délibération", eny amin'ny Lycée Raherivelo Ramamonjy, amin'ny 9 ora. Efa mandeha ny fampiantsoana ireo mpitsara fanadinana hanatrika izany.

Résultat Bac Antananarivo

Efa tontosa ny faran'ny herinandro teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ny sokajy Teknika. Mazava ho azy fa efa vita ihany koa ny an'ny sokajy Général. Naharitra roa herinandro izany ny fitsarana ny taratasim-panadinana,satria ny alatsinainy 29 jolay no nanomboka. Andrasana amin'ity herinandro ity ihany koa ny "Délibération", izay tsy maintsy tontosaina eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo Ankatso. Rehefa mandeha mantsy ny délibération, manisa 24 hatramin'ny 48 ora aorian'izay farafahabetsany dia mivoaka ny voka-panadinana. Raha ny vinavina dia andrasana eo anelanelan'ny 15 sy ny 26 aogositra ny valim-panadinana. Voalaza fa efa nahitam-bahaolana ny fandoavana ny tambinkaraman'ireo mpitsara, ka tsy ahiana intsony ny hisian'ny korontana, toy ny tamin'ny taon-dasa.

Lire la suite

Articles Similaires