• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Global Giving
Image
Vaovao

Miparitaka indray ny « Plumpy » : « Mihemotra isika », hoy ny firaisamonim-pirenena

12/08/2024 10:49 © Moov.Mg

Tsikaritra tao ho ao fa miverina mirongatra indray ny fivarotana tsy ara-dalàna ny « Plumpy’Nut » sy « Plumpy'Sup », izay fanafody fanampin-tsakafo natokana ho an’ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Naneho ny heviny mikasika ity olana lehibe ity ny firaisamonim-pirenena.

Manimba ny fahasalamana

Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 tany ho any no nanao hetsika fanentanana goavana, momba ny tsy tokony hivarotana ny « plumpy » ny Vovonana HINA, niainga tany Atsimo Andrefana ary nipaka teto Antananarivo, araka ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ity vovonana ity. Isan’ny nahafahana namoaka ny didim-panjakana niarahan’ireo ministera isan-tsokajiny izany, mandrara ny fivarotana ireo hanam-pitsaboana fanomezana, toy ny « Plumpy’Nut » sy « Plumpy'Sup ». Ny tambajotran’ny tompon-daka ho an’ny Fanjariantsakafo (CHANUT MADA), izay ivondronan’ny mpanao gazety, mpanao fanatanjahantena, mpanakanto sy Solombavambahoaka ihany koa, dia efa nanatanteraka fanentanana isan-karazany, toy ny famokarana hira manentana ny mponina mba tsy hihinana fahatany ireo fanampin-tsakafo ireo. Miteraka karazana olana ara-pahasalamana ho an’ny ankizy salama mantsy ny fihinanana « plumpy », toy fahatsentsenan’ny lalan-dra, aretin’ny fo, diabeta…

Miantraika amin’ny toekarena

Na teo aza ny dingana efa vita dia lasa « mihemotra isika », hoy ny firaisamonim-pirenena. Ankoatra ireo voka-dratsy ara-pahasalamana anefa, dia nanazava i Faniry Hantarinivo fa be dia be ny vola atonton’ny Fanjakana amin’ny « Plumpy », satria vidiana izy ireny izay vao zaraina maimaim-poana. Misy fiantraikany amin’ny toekarena izany. Etsy an-daniny, miantraika amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ihany koa ny fanodinana ireny fanampintsakafo tokony hozaraina maimaim-poana ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo ireny, ho lasa ody am-bavafo ho an’ny ankizy salama tsara. Manoloana izany dia manentana hatrany ny fiarahamonim-pirenena, mba « tsy omena loza ny zaza ». Miantso ny fandraisan’andraikitry ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitera misahana ny varotra, ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ireo mpikatroka rehetra amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ihany koa izy ireo, mba samy handray ny andraikitra manandrify azy avy, ka ho tena foana tokoa ny fivarotana ny « Plumpy » eny rehetra eny.

Lire la suite

Articles Similaires