• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fiompiana : Manomboka mahazo toerana ihany koa ny fiompiana bitro vaventy (lapin géant)

12/08/2024 10:09 © Moov

Nahasarika ireo mpitsidika ny FIER Mada ny herinandro lasa teo ihany koa ny nahita ireo bitro vaventy. Misy amin'izy ireny no milanja maherin'ny fito kilao raha tsy mihoatra ny telo kilao kosa ireo bitro mahazatra. Manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny fiompiana azy ireny, raha ny fanazavan'ny avy ao amin’ny mpiompy sy mpivarotra « lapin géant », ao Ambohitrimanjaka.

Hatao haingon-trano na atao namana

Mila fikarakarana manokana mihitsy ireto karazana bitro ireto mba hahazoana io angezany io. Efa manomboka miha-betsaka amin’izao fotoana izao ny isan’ireo mpiompy azy ity manerana ny Nosy na dia mbola tsy dia malaza aza. « Amin’ny ankapobeny dia hataon’ny olona haingon-trano na haingon-tanàna na hatao namana fotsiny ihany ireto bitro lehibe ireto. Izay irery ihany no tena tsenam-barotra mampandeha azy amin’izao fotoana izao », hoy i Njara Mahatoky, anisan’ny mandray anjara amin’ny fiompiana ireto bitro ireto ho an’ireo vokarina avy ao Ambohitrimanjaka. Raha ireo nampirantiana nandritra ny FIER Mada ny herinandro teo dia mahatratra hatramin’ny 8 kilao ny lehibe indrindra. Tsara ihany koa ny manamarika fa misy karazany maro ireto bitro ireto. Samy manana ny karazany tiany ny rehetra. Ankoatra ireo liana nandritra io foara io dia miisa 4 eo amin’izao ny hany Malagasy manana karazany iray miloko mavo ary miisa 5 ny manana karazany hafa. Manomboka amin’ny 200 000 ariary ny zanaka bitro lehibe iray. Nampitandrina kosa ireo mpamokatra fa mila manatona ireo manam-pahaizana hatrany mba hialana amin’ny hosoka amin’ireo karazana bitro lehibe.

Sakafo voatokana

Miavaka amin’ireo karazana bitro hafa ireto bitro ireto. Misy amin’izy ireo no antsoina hoe « géant Papillon Français » sy ny « géant des Flandres ». Amin’izay karazany samihafa izay dia efa misy ihany koa amin’izao ny sakafo voatokana ho azy ireo. Vita malagasy tanteraka io sakafo io ary injeniera momba ny fiompiana, mpitsabo biby, manam-pahaizana momba ny zava-maniry fitsaboana no niara-nisalahy namorona izany sakafo izany. Mahasolo ireo karazana filàn’ireo biby rehetra io sakafo io. « Ahitana ireo karazana filàna rehetra ity provandy ity. Ao anatin’izany ny vitamina A, D3, E, K3, B2, B6, B12, C, kalsioma, fer, ioda sy ny maro hafa. Efa hita ao anatin’izany ihany koa ny vilona izay hiarovana ny aretin-kibon’ireo biby », hoy hatrany i Njara Mahatoky. Nanamarika ny tenany fa tsy misy vokatra simika afatsy latasaky ny 1% ao anatin’io sakafo io. Misy karazany rahateo ny sakafo. Ankoatra ny fampitomboana sy ny fanatevezana dia ao ihany koa ny natao ho an’ireo izay ho ampanarahana.

Lire la suite

Articles Similaires