• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 5 hatramin'ny 11 aogositra 2024

12/08/2024 00:04 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 5 hatramin'ny alahady 11 aogositra 2024.

Vokatra vita Malagasy # FIER Mada Andiany faha-25

Ny 7 hatramin'ny 11 aogositra lasa teo no nanatanterahana ny foarabe FIER Mada (Tsenabe iraisam-pirenena ho an'ny Toekarena ambanivohitra eto Madagasikara). "Toekarena ambanivohitra miroborobo, harovan'ny fanjakana amin'ireo loza rehetra mihatra amin'ny asa famokarana", izany no lohahevitra noraisina tamin'ity taona 2024 ity. Raha ho an'ny sehatry ny Jono manokana ohatra dia miankina betsaka amin' ireo sakafotrondro no mampahomby ny fiompiana azy na tsia , misy ireo vokatra provandy vita avy amin'ny tsako sns izay afaka atao tsara ho azy ireo, eo ihany koa ny fiompiana lalitra . Hatreto dia mahatratra 350 000 taonina ny provandy Mbola tokony ho vokarina ho amin'izany. Niisa 450 moa ireo tranoheva teny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka.

By-Pass # Orinasa Malagasy Mpamokatra Paty

Mamokatra paty 4 taonina isan’andro ny Orinasa ODOF Allo Food Factory eny amin’ny By Pass, kaominina Alasora. Notokanana ny talata 6 aogositra lasa teo io orinasa io ary natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny milina. Mampiasa mivantana olona 6 ny orinasa fa tsy maintsy hisy ny fanamaroana isa ny mpiasa hisahana ny ara-Borotra ahafahana manely ny vokatra any amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara. Ny Allo Food Factory moa dia mpanamboatra paty avy amin’ny lafarinina vita malagasy sy atody avy amin’ny mpiompy akoho eny amin’ny kaominina Ambohimanambola sy Alasora.

HJRA # Tafasaraka ireo zaza kambana niraikitra

Tontosa ny alarobia 7 aogositra lasa teo ny fandidiana nanasarahana ireo zazalahikely mikambana (siamois), Tahinjanahary sy Fanambinantsoa. Avy any amin'ny Kaominina Atsimadilo, Distrika Arivonimamo, izy ireo. Tsara ny manamarika fa telo volana sy tapany izy ireo no niatrika izao fandidiana izao. Nisy lanja notakiana mantsy nentina niarovana ny ain'izy ireo. Naharitra ora 9 sy sasany moa ny fandidiana azy roalahy, araka ny nambaran’ny Profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Manampahaizana miisa 30 teo ho eo no nifarimbona. Noraisin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tànana moa izy ireo, nanomboka tamin'ny fahaterahany ka hatramin'ny fandidiana. Mitohy hatrany kosa arak'izany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo.

Antenimierampirenena – Fanolorana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana

Roa andro ny fanolorana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (Politique Général de l’Etat/ PGE) : ny zoma 9 sy ny alatsinainy 12 aogositra. Ny Governemanta no manolotra izany eo anatrehan’ny solombavambahoaka. Ny andro voalohany, izany hoe ny zoma lasa teo, nivoaka ny efitrano ireo Depiote avy amin’ny mpanohitra. Nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko fa tsy manara-dalàna ny fanolorana ny PGE nefa mbola tsy tafatsangana akory ny Governemanta. Ny Praiminisitra irery mantsy no mihaona amin’ny depiote, nefa misy fanontaniana maro tokony apetraka amin’ny Minisitra tsirairay. Anisan’ny takian’ireo depiote avy amin’ny mpanohitra ohatra ny fanazavana mikasika ny FER izay miantoka ny fanamboarana sy fikojakojana ny lalana manerana ny Nosy.

Paris # Tsy nahazo medaly i Madagasikara tamin'ny Jeux Olympiques

Raraka avokoa ireo mpifaninana Malagasy na dia samy nanome izay tsara indrindra aza. I Sidonie Fiadanantsoa (Athlétisme Haies 100m) sy i Rosina Randafiarison (Haltérophilie) no fara-fanantenana, izay niatrika lalao tamin'iny herinandro lasa iny. Samy tsy nisy lasa lavitra nefa izy roa vavy. Na dia tsy nandrombaka medaly aza ireo solotenan'i Madagasikara, tsy azo atao tsinontsinona ny traikefa azo nandritra ny lalao. Nisy ihany koa ireo mpifaninana izay nahavita "record". Rosina Randafiarison, teo amin'ny fibatana fonjamby (-49kg) dia nahavita "records" miisa 3 teto Afrika. Nahavita "record" teto Madagasikara i Holy Antsa Rabejaona (lomano). Nanatsara ny "record"-ny manokana kosa i Rija Vatomanga, taranja hazakazaka. Tsy kivy ireo mpifaninana satria samy nandray lesona avokoa, entina hanatsarana ny traikefa hiatrehana ny fifaninanana hafa.

Tohana Sosialy # Tetikasa Tsimbina

Misy fandaharan'asa sosialy antsoina hoe Tsimbina ho an'ireo tokantrano sahirana nefa mbola mbola tsy misitraka fanampiana. Tokantrano miisa 657 000 farafahakeliny amin'ireo distrika 119 manerana ny Nosy no hisitraka izany : 53% an-tanàn-dehibe, 47% faritra ambanivohitra. Lelavola 250.000 ariary no omena isaky ny tokantrano izay aloha in-droa miantoana: 100.000 ariary ny tapany voalohany ary 150.000 ariary ny tapany faharoa. Tokantrano miisa 251 191 amina distrika 67 ankehitriny no efa nisitraka ny Tsimbina. Tokantrano 2724 manerana ireo boriboritany dimy no hisitraka ny ampahany voalohany, nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

Mandoto # Zazavavikely naolan'ny dadatoany

Mbola misy mahasahy manolana zaza tsy ampy taona ihany na dia efa sazy henjana aza no miandry. Lehilahy iray 54 taona no voampanga ho nanolana zazavavy vao 13 taona tany Ambohitrandriana, kaominina ambanivohitra Vinany. Tsy izao io nampihatra habibiana io fa anadahin'ny renin'ny zaza ihany. Ny alin'ny 31 Jolay hifoha 01 Aogositra, nandritra ny lanonana famadihan-drazana, ilay tovovavikely no nisy nanolana. Nosamborin'ny Chef de poste Avancé Fidirana avy hatrany ilay nahavanon-doza, taorian'ny fitorian'ny Ray aman-dRenin-drazazavavy. Taorian'ny famotorana dia natolotra ny fitsarana ralehilahy ka notanana am-ponja miandry fitsarana.

Toamasina # Maro ny asa fanamboarana hirosoana

Notontosaina ny 8 aogositra ny fankatoavana ny Programme d'Appui et de Développement des Villes d'Equilibre (PADEVE2) ho an'ny Kaominina andrenivohitr’i Toamasina.
Tapaka tamin'izany fa ireto fotodrafitrasa manaraka ireto no tanterahina : ny tsenan' i Bazary Kely ahitàna mpivarotra miisa 8000 mahery, ny Canal du Nord, ny Canal Tanambao, ny Canal de la Réservée, ny lalana Rues Jeanne Paulette et Tintingue, ny lalana Rue JMJ (Digital Morafeno makeny amin'ny pont Ankirihiry) ary ny Boulevard de la Marne. Mitentina 7 tapitrisa euros ireo tetikasa rehetra ireo. Hisy ihany koa ny tantsoroka ho an'ny Kaominina mba hafahany miantoka ny fikojàna ireo fotodrafitrasa ireo.

Itasy # Hita ilay lakolosy nagalarina tao Amberomanga Soavinandriana

Tsy dia nalaza firy intsony ny halatra lakolosy tato ho ato. Izany indrindra no namoahan'ireto mpangalatra ny lakolosy nangalariny roa taona lasa izay. Nitady mpividy izy ireo ka tamin'izany no nisy nahatsikaritra. An'ny fiangonana katolika iray anatin'ny Kaominina Amberomanga, distrika Soavinandriana, ilay lakolosy. Tsy nisy moa ny fikarohana noho ny tsy naharaisan'ny zandary fitoriana. Izao tra-tehaka izao ihany nefa ireo mpanao ratsy. Naverina amin'ny fiangonana ny lakolosy ary notanana tao amin'ny Paositry ny zandarimaria Amparaky ireo roalahy voasambotra.

Bongolava # Fanohanana ireo mpamboly amin'ny voly avotra

Nahazo tombony manokana ny mpamokatra miisa 81 tao amin’ny kaominina ambanivohitra Bemahatazana, Distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Nisitraka ny tohana amin’ny seham-pihariana vary an-drano avy tamin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) izy ireo, ny 02 sy 03 aogositra lasa teo. Tosika entina hiatrehana ny voly avotra no nanolorana izany.
Masomboly vary an-drano nilanja 729 kg, zezika NPK 1215 kg ary zezika biolojika milanja 6075 kg no nozaraina tamin'izy ireo. Tsara ny manamarika fa mpamokatra mahafeno ny fepetra no afaka misitraka ny tohana omen’ny Ministera ka ny 10%-n’ny vidin’ny hanam-pamokarana ihany no aloan’izy ireo.

Ihorombe # Nisitraka fampitaovana ny tantsaha mpamokatra

Tantsaha miisa 175 ao anaty fikambanana miisa 11 no nisitraka fanampiana : Motoculteurs miaraka amin’ny remorka miisa 03, décortiqueurs 06, dépailleur 01, motopompe 01, charrettes 04 ary charrues miisa 10. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Sakalalina sy Analavoka, Distrikan’ Ihosy ary Ivohibe, Maropaika ary Antaramena Distrikan’Ivohibe, Faritr’Ihorombe no nahazo tohana fitaovam-pamokarana avy tamin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, no notanterahina izany fanomezana fampitaovana izany. Ny Tetikasa FANDROSO, izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola ao anatin’ny Fandaharanasa RINDRA, no angady nananana izao fanohanana izao.

Boriziny # Nisitraka fanentanana ireo mpanjono tao Matsabory Tseny

Notanterahana nandritra ny 04 andro ny fanentanana ireo mpanjono tao Matsabory Tseny, Kaominina Ambanivohitra Tsaratanana, Distrikan'i Boriziny, Faritra Sofia. Ny mba hialana amin'ny fampiasana fitaovana tsy ara-dalàna no tanjona tamin'izany. Nisy ny fanamby nomena tamin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo harato manara-penitra tsirairay avy hoan'izay mpanjono vonona hiala tanteraka amin'izany ary tsy maintsy manao fifanarahana. Amin'izao voalohany izao dia efa misy ny harato vonona miisa 64, ka ny ONG Madagasikara Voakajy sy ny WWF no manao tantsoroka ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires