• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipedia
Image
Vaovao

Mahavelona Foulpointe : Potika ny tontolo an-dranomasina vokatry fitrandrahana « algue »

11/08/2024 08:17 © Midi Madagasikara

Maro ny tsindry mahazo ny tontolo an-dranomasina ao Mahavelona Foulpointe ao ankehitriny vokatr’ity fitrandrahana « algue » ataon’ny Sinoa any an-toerana. Simba miaraka amin’izany koa ireo ala honko manodidina rehetra vokatr’izany. Raha ny vaovao nangonina tany an-toerana dia ireto « algue » ireo no fihinan’ny trondro amin’ny andro mangatsiaka sy amin’ny fotoana tsy misy sakafo any anaty ranomasina, fa lasa poizina indray izany amin’ny fotoanan’ny hafanana. Ity « algue » alaina 10m midina amban’ny ranomasina ity nefa amin’izao no alain’ireo mpitrandraka, izay tsy fantatra na nahazo alalana na tsia avy amin’ny fanjakana, ka amidin’ireo olona mpanao izany amin’ireo Sinoa 150.000 ariary ny fehiny lehibe iray amin’izany. Olona manodidina ny 200 eo no manao izany ftrandrahana izao ao Mahavelona Foupointe ao. Efa hita amin’izao fa misy fiantraikany amin’ny fitrandrahana ny hazandrano ilay fitrandrahana « algue » ataon’ny Sinoa, satria lasa mandositra lavitr ny toerana misy azy avokoa ireo hazadrano fakan’ny mponina ho fivelomany amin’izao. Raha nanontany ny talen’ny jono sy tontolo manga ny mpanao gazety dia nambarany fa tsy manana fahazoan-dalana mitrandraka io « algue » ao Mahavelona Foulpointe io ilay teratany sinoa. Tsy misy anefa ny fandraisana andraikitra fa hoe manao andrana ilay Sinoa mitrandraka io. Milaza ihany ity talem-paritra ity fa misy ny fandaharan’asa ataon’izy ireo amin’izao amin’ny fambolena ity « algue » ity ankehitriny, ka hiteraka asa maro izany raha mety ny andrana atao mikasika izany. Ho hita eo ny tohiny fa hita aloha hatreto dia potika ny tontolo iainana an-dranomasina hatramin’ny ala honko amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires