• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny vaksiny : Hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa ireo vehivavy Ben’ny tanàna

09/08/2024 19:17 © Moov.Mg

Mbola tsy mahafa-po hatreto ny teti-bola atokan’ny Fanjakana Malagasy ho an’ny fanaovam-baksiny. Tsy mitsahatra ny manao adisisika ny hampiakarana izany ny firaisamonim-pirenena, no sady manamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra isan-tokony ihany koa, mba ho fampiroboroboana ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara.

Fahasalamana fototra

Nikaraka atrikasa teny Ambatomirahavv, izay nanasana ireo vehivavy Ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, ny Vovonana HINA, ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) ary ny tambajotran’ny tanora NOSYW. Nandritra izany no nanamafisana ny fahalalan’ireo Ben’ny Tanàna miisa 94 ireo, momba ny maha-laharam-pahamehana ny fahasalamana fototra sy ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny anjara andraikitr’izy ireo, amin’ny maha-olom-boafidy sy tomponandaikitra eny ifotony azy ireo, manoloana ny tokony hisitrahan’ny mponina ny fahasalamana fototra sy ny fanaovam-baksiny. Ankoatra izay dia nomena fahalalana ireo Ben’ny tanàna vehivavy, ny amin’ny fomba hampidirana ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina ny fandaniana mifandraika amin’ny fahasalamana, indrindra ny vaksiny. Tafiditra tao anatin’izany fanofanana izany ny fampahafantarana ireo singa rehetra tokony ho tafiditra ao anatin’io teti-bola io, ny fomba fandrafetana azy, ary ny fanaovana fanaraha-maso.

Teti-bola tsy ampy

Tsiahivina fa tahaka ireo firenena Afrikanina maro, dia nanaiky ny hanokana ny 15% amin’ny teti-bola ankapoben’ny Fanjakana, mba ho an’ny sehatry ny fahasalamana, i Madagasikara, araka ny fifanarahan’i Abuja. Raha ny zava-misy hatramin’izay anefa, dia nijanona ho manodidina ny 8% ihany io teti-bola ho an’ny fahasalamana io, araka ny fanazavan-dRakotonirina Miarosata, tomponandraikitry ny tetikasa eo anivon’ny tambajotran’ny tanora NOSYW. 131,7 miliara ariary no teti-bola ho an’ny vaksiny ho an’ity taona 2024 ity, izay 11,58%-n’ny teti-bolan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Avy amin’ny fanampiana avy any ivelany avokoa ny ampahany betsaka amin’io fa ny 1,7% ihany no vola manokan’ny Fanjakana malagasy. Efa betsaka ny haitaky nataon’ny vovonana HINA, CCOC sy Nosyw, hoy Ramarosona Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Vovonana HINA. Tamin’ny volana aprily lasa teo, ohatra, dia isan’ny nanaovana adisisika ny momba ny fandrotsahan’ny Fanjakana ny anjara birikiny 20%, amin’ny fividianana ny vaksiny, araka izay nifanarahana tamin’ny GAVI, izay mpiara-miombon’antoka lehibe indrindra amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Vaksiny. Voavaly soa aman-tsara izay haitaky izay, satria efa naloan’ny Fanjakana ny anjarany.


Copyright Image : © Moov - Vovonana HINA, CCOC sy Nosyw

Mila tohana

Isan’ny fomba hanetsehana ny fampiasana ny vola eo am-pela-tanana, ho fanatsarana ny fahasalamana fototra sy ny fanaovam-baksiny, ity atrikasa niarahana tamin’ny vehivavy Ben’ny tanàna ity. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tsy fahita any anaty teti-bolan’ny kaominina ny momba ny fahasalamana eny ifotony. Raha ny nambaran-drtoa Benoely, Ben’ny tanànan’ny kaominina Mangindrano, Distrikan’i Bealanana Faritra Sofia izao, dia ny fanentanana no tena fanaon’ny kaominina sy iarahany misalahy amin’ireo CSB, fa tsy mbola misy aloha ny teti-bola ho fanohanan’ny kaominina ny sehatry ny fahasalamana. Taorian’ny atrikasa kosa dia niray feo ireo vehivavy Ben’ny tanàna, nanao fanambarana nilaza fa vonona, miaraka amin’ireo Mpanolo-tsain’ny tanàna, ny hanoratra ny momba ny vaksiny, ao anatin’ny teti-bolan’ny kaominina izay tantanan’izy ireo. Niantso ny ministera rehetra voakasika ihany koa anefa izy ireo, ary koa niantso ireo mpiara-miombon’antoka, mba hampitombo ny vola fanohanana ny kaominina, hahafahan’izy ireo tena manatanteraka ny teny nomeny, dia ny hampiroborobo ny fahasalamana eny ifotony.



Lire la suite

Articles Similaires