• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tambajotram-Pivavahan'Ny Papa Maneran-Tany
Image
Vaovao

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana : Miara-miasa amin’ny sampan-draharaha maro ny Eglizy Katôlika amin’ny Kongresy eokaristika nasionaly

09/08/2024 16:43 © Moov

Tanterahina ny 23 hatramin’ny 25 aogositra izao any Antsiranana ny Kongresy Eokaristika Nasiônaly 2024. Tsy maintsy misy ny fiomanana mialoha amin’ny hetsika lehibe toy izao. Miara-miasa tanteraka amin’ny sampan-draharahan’ny fiarovam-pirenena ny Eglizy Katolika amin’ity hetsika ity. Natao indrindra izany mba hialana amin’ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga rehefa fihaonam-be toy izao.

Hitombo ny mpivezivezy

Fotoan-dehibe ho an’ny mpino katolika ity atrehina any Antsiranana ity. Araka izany dia hitombo ny mpivezivezy. Andrasana amin’izany ny mpino katolika avy amin’ireo diosezy an’ny faritra miisa 24 manerana ny Nosy. Araka izany dia tsy maintsy hitombo ny mpivezivezy. Rehefa amin’ny fotoana toa izany dia mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana. Eo ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny lalam-pirenena eny ary ihany koa ny fanafihana samihafa. Izany rehetra izany no nandraisana ny fanapahan-kevitra mba hiarahana miasa amin’ny mpitandro filaminana. « Hatao zava-dehibe ny ain’ny mpamonjy ny zaika. Fotoana hanovozana aim-panahy io ka izay no hirariana samy hahazo izany avokoa ny mpandray anjara rehetra. Hatao foana io fiaraha-miasa io na amin’ny mandroso na amin’ny fiverenana », hoy ny Solontenan’ny Papa Ray Masina, Tompon’andraikitra voalohany misahana ny fikarakarana ny fivahinianana masina Eokaristika eto Madagasikara, Mompera Zakavelo José Christophe.

Fanamafisana fihavanana

Teny filamatra entina amin’ity fihaonam-be ity ny fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny mpino katolika manerana ny Nosy. Anisan’ny teny filamatra ho an’ny fankalazana maneran-tany rahateo io teny io. Marihina fa tsy toy ny andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy ity hankalazaina ity. Tanterahina arakaraka ny rivotra mitsoka eo amin’ny eglizy manerana izao tontolo izao ny Kongresy Eokaristika, raha tanterahina isaky ny taona voafetra ireo roa ireo. Afaka samy mankalaza izany ny firenena tsirairay na hatao amin’ny fomba iraisam-pirenena izany. Mifandray amin’ny fihaonamben’ny AFAFI/FET ihany koa moa ity hetsika any Antsiranana ity.

Lire la suite

Articles Similaires