• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Géoforum : Hampahafantarina eny amin’ny MBC Ivato ny sehatry ny « géoscience »

09/08/2024 16:07 © Moov

Mananakarena harena an-kibon’ny tany i Madagasikara, eo ihany koa ny harena ara-tontolo iainana sy ireo eo amin’ny angovo azo havaozina. Hahafahan’ny tanora mandray anjara ao anatin’ireo sehatra ireo dia hanatanteraka ny « géoforum » ny mpianatra avy ao amin’ny Union des Futurs Ingénieurs Géologues (UFIG). Hotanterahina eny amin’ny MBC Ivato ity hetsika ity ny 22 sy 23 aogositra izao. Miditra amin’ny andiany faharoa izy izay natao hampiroboroboana ny haibolan-tany na ny “géoscience”.

Varavarana misokatra ho an’ny mpianatra

Atrikasa, famelabelaran-kevitra momba ny sehatra isan-karazany, sy ireo trano eva maro be momba ny « géoscience » no hita mandritra ireo roa andro ireo. Anisan’ny tanjona amin’izany ny fahafahana manoro lalana ny tanora amin’ny lalam-piofanana mety ho ilainy eny amin’ny Oniversite. Tsara ihany koa ny manamarika fa mpianatra avy ao amin’ny sampam-pampianarana Génie Géologique eny amin’ny Polytechnique Vontovorona ireto mpikarakara ireto. Ireo orinasa mpiara-miasa amin’izy ireo ihany koa dia hanolotra fampahafantarana fa misy ireo sehatra ireo. Misy amin’izy ireo ihany koa mampiofana ankizy hanana traikefa amin’ny resaka fikirakirana harena ankibon’ny tany, angovo, tontolo iainana sy fanajariana ny tany ary ny asa vaventy. Ankoatra izany rehetra izany anefa dia anisan’ny ho ampirantiana ao ihany koa ireo harena an-kibon’ny tany anisan’ny tena mampiavaka an’ny Madagasikara.

Mitombo ny mpianatra

Tao anatin’ny telo taona izay dia manomboka mahaliana ny mpianatra ny sampam-pampianarana misy ity « géoscience » ity. Anisan’ny olana sedrain’izy ireo ka tsy hahavitana izany hatramin’ny farany ny olana ara-bola. Manampy ny mpianatra amin’ny fanohizana fianarana ny asa antselika sy ireo asa madinika sy hetsika isan-karazany manampy azy ireo. Izany ihany koa no antony hanatanterahana ity hetsika ity. « Fotoana iray ity hanentanana ny tanora handray anjara mivantana amin’ny fikirakirana ny harenan-tsika eto Madagasikara », hoy i Rakotondratsara Faniry Riantsoa, filohan’ny UFIG. Teny entina hanentanana amin’ity andiany faharoa ity rahateo ny hoe « haibolan-tany ho an’ny ho avy ». Raha ny fanirian’ireto tanora ireto dia ny mba ho maro ny tanora misehatra eo amin’ireo singa rehetra mandrafitra ny « géoscience ».

Lire la suite

Articles Similaires