• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanangonana antontam-baovao : Nisitraka fampitaovana ny ministeran’ny Tontolo Iainana

09/08/2024 15:50 © Moov.Mg

Manan-danja lehibe amin’ny fitantanana ny tontolo iainana ny fananana angom-baovao feno sy tonga ara-potoana. Efa manana ny SIGE ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Ho fanamafisana ny fampihodinana azy io dia nisitraka fampitaovana avy amin’ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) ny MEDD.

Fitaovana avo lenta

Karazana fitaovana avo lenta, toy ny GPS, « drones », « disques durs externes », » imprimantes », « tablettes numériques », « powerbanks », « racks serveurs » ary « modems routeurs » no natolotry ny PNUD ho ampiasain’ireo teknisianinin’ny MEDD eny ifotony, izay mikirakira ny angom-baovao sy antontan’isa. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahan’i Madagasikara ny fifanarahan’i Rio izao fampitaovana izao, izay anovatsian’ny Tahirim-bola ho an’ny Tontolo Iainana Maneran-tany (GEF) vola. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo tamin’ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina, omaly 8 aogositra 2024, teny Antsahavola, ny Solontena maharitra lefitry ny PNUD eto Madagasikara, Jean François Dubuisson.

Hahafantarana ny tena zava-misy

Raha tsiahivina, ny SIGE, na « Système d’Information pour la Gestion de l’Environnement » dia tranonkala ahitana ireo antontan’isa sy angom-baovao mifandraika amin’ny tontolo iainana. Tamin’ny volana mey lasa teo izy ity no nampahafantarina tamin’ny fomba ôfisialy. Tanjona tamin’ny namolavolana azy ny fanamafisana ny haitondra ara-tontolo iainana sy hikirakirana ireo antontan’isa sy antontan-kevitra ara-tontolo iainana maro samihafa eto Madagasikara. Manan-danja goavana ity fitaovana ity, satria miainga amin’ireo angom-baovao no hahafantarana ny tena zava-misy sy ny olana eny ifotony, ka hahafahana mandray fanapahan-kevitra tena mifandraika tokoa amin’ny zava-misy sy ny filàna. Araka izany, mpisehatra ara-tontolo iainana marolafy no mamatsy ny antontam-baovao sy antontan’isa ao anatin’ny SIGE, mba ho ara-potoana ny vaovao mivoaka ao. Samy afaka mampiasa ity fitovana ity avokoa, na ireo teknisianina mpisehatra amin’ny tontolo iainana, na ny besinimaro te hahazo antontam-baovao.

Lire la suite

Articles Similaires