• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mananika ny 47% ny fahavitan’ny ny asa maika amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahafito

09/08/2024 15:05 © Moov

Mampikaikaika ny mpampiasa lalana ihany koa ny lalam-pirenena fahafito. Eo anelanelan’Ambositra Fianarantsoa no tena ahitana ireo lalana tena ratsy. Araka izany dia miroso ny asa fanarenana amin’izao. Nanao fitsidihana tany an-toerana ny ekipan’ny Ministeran’ny asa vaventy ka nanome toromarika ny hanafainganana ny asa.

Lalana mirefy 13km vita fanatsarana

Nojerena tamin’izany fidinana an-tsehatra izany ireo asa efa mandeha eo amin’ny teboka halavirandalana PK 258, Ambositra, hatrany amin’ny PK 311, Ambatofitorahana. Mirefy 13 kilometatra ny lalana efa vita fanatsarana ankehitriny, eo anelanelan’ny PK 258 sy ny PK 270. Raha ny tahan’ny fahavitan’ny asa kosa dia mananika ny 47%. Etsy andaniny anefa dia tsy ireo lalana ireo irery no mila fanamboarana fa saika ireo lalana rehetra amin’iny RN7 iny. Ankoatra ireo tara izay efa lasa vovoka dia eo ihany koa ireo teboka mainty maro be. Raha tsiahivina dia efa 14 ora amin’izao fotoana izao ny hanaovana ny lalana mampitohy an’Antananarivo Fianarantsoa raha toa ka natao 8 ora izany teo aloha. Araka izany dia laharam-pahamehana ny asa ka nomena toromarika ireo orinasa mpanatanteraka hanafaingana ny asa. Arahana maso ny famatsiana ny fitaovana ampiasaina amin’izany. Nojerena ihany koa fahefan’ny orinasa manampy mpiasa mba ahafahana mamita ny asa ao anatin’ny fotoana napetraka.

Hampiroborobo ny toekarena

Zava-dehibe amin’ny toekarena eny ifotony ity asa fanarenana ity satria manamora ny fitaterana ireo vokatra. Anisan’ny hanampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena izany. Asa maika rahateo io tanterahina io ka mandray anjara tanteraka amin’izany toekarena izany. Vinavinaina ho vita ny faran’ny volana Oktobra ho avy izao ireo asa maika ireo. Ny MTP dia manohy hatrany ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa rehetra mba hamitana izany amin’ny antsakany sy andavany. Marihina fa nisy fihatoana nandritra ny fotoana fohy ny asa nohon’ny antony maro samihafa. Efa miverina manatanteraka izany kosa ny orinasa tompon’ndraikitra EHS ankehitriny. Famatsiam-bola anatiny na RPI no hanatanterahana ny asa. Anisan’izany ny fanampenana lavaka sy fanatsarana na « traitement des points noirs et réhabilitation ».

Lire la suite

Articles Similaires