• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Bakalôrea : Olona miisa 4 hadihadiana momba ny fivoahan’ny laza adina mialoha

09/08/2024 14:32 © Moov

Olona miisa efatra amin’izao fotoana izao no hanaovana fanadihadiana momba ny fanahiana fivoahana laza adina mialoha. Mbola manohy ny asany amin’ny fikarohana ny marina sy hiarovana ny tsy hiverenan’ireny intsony ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana amin’izao, hoy ny Prefektoran’Antananarivo, ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo.

Endrika fanakorontanana

Amin’izao fotoana izao dia manamarika hatrany ny mpitandro filaminana fa tsy nisy tranga na fivoahana laza adina mialoha teto Antananarivo sy ny manodidina. « Endrika fanakorontanana saim-bahoaka avokoa ireny nandeha rehetra ireny. Na ireo tamin’ny fanadinana bakalôrea ho an’ny sokajy ankapobeny izany na ireo sokajy teknika. Mbola tsy nisy tranga voamarina hatramin’izao », hoy hatrany ity Prefektoran’Antananarivo ity. Etsy andaniny anefa dia tsy maintsy tanterahina hatrany ny fanadihadiana ireo izay mamboly izany fanakorontanana izany. Amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy hisy ny sazy miandry ireo olona ireo. Miankina indrindra amin’ny valin’ny fanadihadiana izay hivoaka tsy ho ela hoe mavesatra ve sa maivana ny sazy izay hiatra amin’izy ireo », hoy hatrany ny fanazavana.

Efa nifarana ny asa fiambenana

Efa miditra tanteraka amin’ny raharaha fitsarana ny taratasim-panadinana amin’izao ny asa rehetra momba ny bakalôrea. Araka izany dia efa tapitra ihany koa ny asan’ireo mpitandro filaminana momba ny fiambenana ny laza adina. Io asa io izay nanomboka tany amin’ny « conclave », ny fanaterana ny laza adina ka hatrany amin’io laza adina io ho eo am-pelatanan’ny mpiadina. Etsy andaniny anefa dia miara-miasa hatrany amin’ireo Ofisin’ny Bakalôrea izy ireo mba hahafahana tonga amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana tsy hisy korontana. Raha ny eto Antananarivo amin’izao fotoana izao dia eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo no miambina indray izy ireo. Tanjona amin’izany ny hahafahana mamoaka ny valim-panadinana ara-potoana. Amin’izao fotoana izao dia efa ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana sokajy teknika ny mpitsara ary efa mampiditra anaty solosaina ny naotin’ireo mpianatra ao amin’ny sokajy ankapobeny.

Lire la suite

Articles Similaires