• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famokarana herinaratra : Asa laharam-pahamehana ny tetikasa « Tana Madium Ring »

09/08/2024 11:45 © Moov

Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia lasa teo fa ho atao laharam-pahamehana ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Marihina fa tetikasa nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny EximBank any Chine izy ity. Tanjona amin’izany ny hanangana zotra fitaterana herinaratra vaovao.

Hampitomboana ny fahazoana herinaratra

Anisan’ny tetikasa goavana hanangana zotra fitaterana angovo an’habakabaka izay hanohana amin’ny famokarana herinaratra ho an’ny Faritra Analamanga hatrany Vakinankaratra sy Itasy ity tetikasa ity. Nohamafisina araka izany ny maha-laharam-pahamehana azy izay hampitombo ny fisitrahan’ny mponina herinaratra. Raha tsiahivina dia efa nanomboka tamin’ny volana jolay 2023 ny fakana ny hevitr’ireo mponina eny ifoton’ny tetikasa. Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny andry iankinan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izany asa izany dia ny fampivoarana ny maha olona sy ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Marihina fa mbola aman’arivony ny Malagasy amin’izao fotoana izao no tsy misitraka herinaratra. Voalohany amin’izany ny eny amin’ny faritra ambanivohitra.

Sous-stations miisa 8

Tsiahivina ho an’ity Tetikasa TMR ity dia ny orinasa TPBEA no hanatontosa ny asa. « Sous stations » miisa 8 no hatsangana. Ho hita ao Ambohijanaka, Antananarivo Atsimo 2, Antananarivo Andrefana 2, Behenjy, Antsirabe Andrefana, Imerintsiatosika, Antsipolitra, Antanifotsy izany. Miaraka amin’ireo ny « pylône » milanja ny tambazotran-tariby mirefy 185 km izay mitondra herinaratra mahery vaika 90 KiloVolt. Hanampy ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) io asa ho atao io izany hoe vahaolana sy fanatsarana. Misy Kaominina miisa 9 Voakasika ho an’Antananarivo Atsimondrano raha Boriboritany iray izany ho an’Antananarivo VI ho an’ny eto Analamanga. Ao amin’ny Faritra Itasy dia kaominina 3 no voakasika ao anatin’ny Distrikan’Arivonimamo. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra kosa dia Kaominina 7 ao Ambatolampy, miisa telo ao Antanifotsy ary Kaominina 3 ihany koa ao Antsirabe I raha miisa 4 ny ao Antsirabe II. Tafiditra ao anaty asa ihany koa ny fanorenana toerana fanamboarana fitaovana manova herinaratra « unité de montage de transformateurs MT/BT » ao Imerintsiatosika

Lire la suite

Articles Similaires