• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Ambohidratrimo : Nisitraka sekoly tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Sekoly Telma ny fokontany Ambovo

09/08/2024 09:32 © Moov

Hafaliana. Izay no azo hamaritana ny fihetsem-pon’ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambovo, ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo. Nisitraka sekoly fianarana ny EPP Ambovo, tamin’ny alalan’ny Fandaharan’asa Sekoly Telma izy ireo, izay notokanana omaly. Afa-pahasahiranana ireo Ray aman-dreny ka tamin-kafaliana no nandraisana izany.

Voalohany ho an’ny fokontany Ambovo

Nandritra ny fotoana ela raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra rehetra izay nandray fitenena dia mbola tsy nisy sekoly mihitsy teo amin’io toerana io. Mandeha mamonjy sekoly eny Tsaratanana na Ambohidratrimo hatrany ny ankizy teo aloha teo. « Mandeha 2 km ireo mpianatra ety an-toerana vao mahita sekoly ka maro no tsy mandeha noho izay olana izay. Nahazo izao sekoly izao izahay ka hirariana ny hitomboan’ny mpianatra miditra an-tsekoly », hoy ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambohidratrimo. Miisa telo ny hefitrano afaka ho ampiasaina amin’izao fanombohany izao izay samy efa misy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany avokoa. Araka izany, noho ny ezaky ny Tompon’andraikitra rehetra ihany koa dia hisokatra amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity ny sekoly. Handray ambaratonga roa ihany izy ireo aloha amin’io fidirana io dia ny « préscolaire » sy ny garabola na ny T1 izany. Vinavinaina kosa ny hampitombo ny isan’ny mpianatra aoriana kely ao. Ny tanjona rahateo dia ny hampiditra ny zaza rehetra an-tsekoly ka anisan’ny mandray anjara mivantana amin’izany ny Telma Madagasikara izay namatsy vola ny fanorenana. Etsy andaniny anefa dia tsy vitan’ny orinasa Telma irery ny asa fa teo ihany koa ny Fondation Axian sy ny ONG Trotroina.

Misy filàna hafa

Ankoatra ny foto-drafitr’asa izay nilain’ireo mponina ireo dia mbola manana olana samihafa ihany koa izy ireo. « Anisan’ny antony iray mahatonga ny fialana andaharana ny tsy fahampian-tsakafo. Araka izany mangataka amin’ireo malala-tanana ny mba hananganana « cantine scolaire » ho an’ity sekoly ity », hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna. Nametraka kosa anefa izy ireo fa vonona ny hikolokolo ny sekoly sy hanatsara izany hatrany mba ho tombontsoan’ny zaza malagasy rehetra.

Sekoly Telma miisa 150

Amin’izao fotoana izao ny orinasa rehetra eto Madagasikara dia manana adidy ny hanatanteraka tamberin’andraikitra izy ireo. Anisan’izany ny Sekoly Telma ho an’ity orinasa iray ity. Amin’izao fotoana izao dia efa miisa 150 mahery ireo Sekoly Telma nahorina manerana ny Nosy. Ankoatra ity tany Ambovo ity dia notokanana farany teo ny tany Mahajanga sy Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires