• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Hihamafy ny fahatapahan-jiro amin’izao fidirana amin’ny fotoan’ny hain-tany izao

09/08/2024 09:14 © Moov

Nanambara tao amin’ny pejiny indray ny orinasa JIRAMA fa hitombo ny fahatapahan-jiro ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Noraisina indray izany fanapahan-kevitra izany amin’izao fidirana amin’ny hain-tany izao, raha ny fanazavana hatrany. Haharitra ora iray ny fahatapahana amin’izao fiantombohany izao amin’ireo faritra maro eto Antananarivo.

Mihena ny rano

Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika amin’izao ka mihena ireo renirano mpamokatra herinaratra raha ho an’ny Antananarivo. Raha ho an’ny Andekaleka manokana izao, izay miantoka ny ampahany betsaka amin’ny vokatra herinaratra vatsiana eto Antananarivo dia hatramin’ny iray metatra izany fihenana tohodrano izany. Mba hahafahana mameno ireo tohodrano eny Andekaleka, Mandraka, ary Antelomita dia tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano halefa amin’ireo vondrom-pihariana herinaratra mandeha amin’ny rano. Araka izany dia tsy maintsy ahena hifanaraka amin’izany ihany koa ny vokatra herinaratra ho an’Antananarivo. Hisy arak'izany ny fahatapahan-jiro mifandimby, mandritra ny ora iray, nanomboka omaly, teo anelanelan'ny tamin'ny 1 Ora folakandro sy amin'ny 5 Ora hariva. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny teny amin’ny faritra Ankorondrano iny, Ankazomanga, Ankadindravola, Bevalala sy ireo faritra maro samihafa.

Mila paikady vaovao

Mampimenimenina ny mpanjifan’ny JIRAMA amin’izao fotoana izao io fahatapahan-jiro io. Miteraka fatiantoka amin’ny fihariana sy ny fitadiavam-bola io olana io ka mampitaraina azy ireo amin’ny Mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Araka izany dia nanambara ny heviny ihany koa ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ireo. Mila paikady vaovao hoy izy ireo ny fanarenana io orinasa io mba hialana amin’ireo fanapahan-kevitra maro samihafa izay miteraka olana amin’ny mpanjifa ireo. Anisan’ny navoitrany tao anatin’izany ny fomba fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny aterineto izay maro no tsy mankasitraka izany noho ny tahotry ny tsy fahatomombanana. Etsy andaniny anefa dia anisan’ny olana diavina amin’izao fotoana izao ihany koa ny fahanteran’ny fitaovana ampiasaina ka tokony samy raisina ho laharam-pahamehana avokoa izany rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires