• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Globes Blogueurs
Image
Vaovao

Doro tanety tao anatin’ny faritry ny valanjavaboaharin'Isalo : Olona iray no atao fanadihadiana

09/08/2024 08:46 © Moov.Mg

Nitrangana doro tanety tao anatin’ny faritry ny valanjavaboaharin'Isalo tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny. Voafehy ny afo ary nisy tamin’ireo ahiana ho tompon’antoka no efa voasambotra, araka ny tatitry ny Madagascar National Parks, mpitantana ny valanjavaboaharin'Isalo.

Mora niitatra

Ny sabotsy 3 aogositra, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, no nanomboka ny afo, ka tao andrefana sy avaratry ny « Fenêtre d’Isalo » no niaingan’izany. Toerana 4 tamin’ireo no nahitana afo nitsitokotoko. Ny ampitson’io, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, no voafehy ny afo, saingy, notohizana hatrany ny fanaraha-maso, araka ny tatitra nosoniavin-dRakotoarivelo Nandrasana Jean Jacques, talen’ny valanjavaboaharin'Isalo. Azo lazaina ho nahery ny afo, noho ny fotoana nipoirany tao anatin’ny hafanana tanteraka. Nandrivotra ihany koa anefa tamin’io fotoana io, ny bozaka rahateo matevina, satria tamin’ny taona 2017 no nahitana trangana afo farany tamin’io toerana io, hoy hatrany ny tatitra. Antony nahamora niitatra ny afo ihany koa ireo rehetra ireo. Olona niisa 116 no nifandrimbona namono ny afo. Nampiasa fitaovana lehibe isan-karazany, toy ny kamiao, « citerne », sns ihany koa.

Fahadihadiana lalina

Mbola tsy fantatra tanteraka hatreto ny tena refy marin’ny velarana tratran’ny afo, fa andalam-pandrefesana izany ireo tomponandraikitra. Voalazan’ity tatitra ity kosa fa, amin’ny ankapobeny dia tany lava volo (savane) sy vato no tena nandalovan’ny afo. Nisy voakasika ihany anefa ny ala. Araka ny fantatra moa dia efa nampitomboina ny isan’ireo mpiambina ny « Fenêtre d’isalo ». Ny zoma 2 aogositra alina ireto farany no alefa nahatsikaritra olona maromaro, niditra tamin’ny faritra ambenana. Voasambotra ny iray tamin’ireo olona ireo ary efa nalefa any Ranohira. Mitohy ny fahadihadiana lalina momba azy io, satria sokajiana ho heloka bevava ny doro tanety, indrindra raha faritra arovana toy izao no anaovana izany. Hisy ihany koa ny fidinana ifotony hotanterahin’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Ihorombe, mahakasika izao trangana doro tanety ao anaty faritra arovana izao.

Lire la suite

Articles Similaires