• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fahasalamana : Tsy mahafantatra ny toe-batany ny ankamaroan’ireo manatona ny fitsaboana manakaiky vahoaka

08/08/2024 16:03 © Moov

Fanambin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao ny hanolorana fitsaboana ho an’ny mponina. Maherin’ny 200 hatrany ireo olona tonga manatona azy ireny isaky ny boriborintany. Ny teny amin’ny Boriborintany faha-dimy, teny Soavimasoandro no nanatanterahana izany farany teo. Raha ny fanamarihan’ireo mpitsabo dia tsy mahafantatra akory ny toe-batany ny ankamaroan’ireo tonga manatona azy ireo.

Tosi-drà avo

Noho ireo zava-misy mifamahofaho eo amin’ny fiainan’ny Malagasy isan-tsokajiny dia maro ireo mponina tsy mahalala akory ny momba ny tosi-dràny. « Tsy voatery mitily ny tosi-drà fotsiny izahay fa rehefa jerena ny momba ilay olona dia tsy maintsy voaray ao anatin’izany ny fijerena ny tosi-drà. Maro amin’ireo manatona anay no tsy mahalala akory fa ambony ny tosi-dràny kanefa izy maina eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny », hoy ny mpitsabo, mpiandraikitra ny fahasalamana manakaiky vahoaka an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Marihina anefa fa mety hiafara amin’ny fahafatesana tampoka na ny kilema samihafa io olana io. Araka izany dia tokony ho tiliana dieny mialoha io aretina io mba hahafahana manampy amin’ny ezaka fiarovana. Etsy andaniny dia betsaka ihany koa amin’izao, raha tamin’io hetsika io ihany ny aretina azo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ao anatin’izany ny sery, kohaka ary ny gripa isan-karazany. Nisy ihany koa ireo aretina hafa mafimafy saingy tsy maintsy toroina hevitra ireo marary ny hanatona mpitsabo hafa sy manam-pahaizana momba izany.

Hatao isaky ny tapa-bolana

Laharam-pahamehana ity fanomezana fahasalamana manakaiky ny vahoaka ity. Araka izany dia ho tanterahina isaky ny tapa-bolana amin’ireo boriborintany miisa dimy ny hetsika. « Malaina hanatona mpitsabo ny malagasy ka tsy maintsy izahay mpitsabo no manao ezaka hanatonana azy ireo matetika », hoy hatrany ny fanazavan’ity mpitsabo ity. Izany rahateo no nandraisana ity fanapahan-kevitra ity. Fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, fitiliana raboka, diabeta, fandanjana zaza sy fanomezana torohevitra ara-tsakafo ary fanaovana vakisiny sy ireo tolotra ara-tsosialy maro samihafa no afaka sitrahina amin’izany. Ny Fitaleavana misahana ny asa sosialy sy fahasalamana (DASS) an'ny Kaomina Antananarivo renivohitra no manatanteraka ity asa ity.

Lire la suite

Articles Similaires