• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef Madagascar
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsosialy Tsimbina : Tokantrano miisa hatramin’ny 657 000 hahazo tombontsoa

08/08/2024 15:15 © Moov

Ankoatra ireo fanampiana ara-tsosialy rehetra teo aloha dia miditra amin’ny fiahiana ara-tsosialy Tsimbina indray ny Fitondram-panjakana. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, omaly mantsy ny fampitana am-bava momba ny tatitry ny fanatanterahana io fandaharan'asa io. Tokantrano maherin’ny 657 000 manerana ny Distrika miisa 119 manerana ny Nosy no heverina hisitraka izany.

Tokantrano marefo

Toy ireo fiahiana ara-tsosialy maro isan-karazany dia natokana ho an’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana ity fanampiana ity. Tanjon'ity fandaharan'asa ity ny hanohanana ireo tokantrano marefo ara-pivelomana mba hanalefahana ny fiantraikan’ny fiakaran'ny vidim-piainana sy hitazomana ny ankizy hianatra. Hatao indrindra izany amin'ny alalan'ny fanampiana ara-bola aloha in-droa miantoana sy miaraka amin'ny tan-tsoroka. Lelavola 250.000 ariary no omena isaky ny tokantrano izay aloha in-droa miantoana: 100.000 ariary ny tapany voalohany ary 150.000 ariary ny tapany faharoa. Samy ahazo ny anjarany avokoa nefa ireo toerana rehetra ahitana izany olona marefo ara-pivelomana izany. Hatramin’ny 53% ireo an-tanàn-dehibe ary ny 47% ny mponina kosa ny any amin’ny faritra ambanivohitra. Ho atao laharam-pahamehana ireo tokantrano an-tanàn-dehibe sy ireo faritra atsimon'ny Nosy. Ireo toerana roa ireo izay samy misedra ny fiakaran'ny vidim-piainana sy mba hanohanana azy ireo amin'ny fidiran'ny mpianatra ho avy izao.

Misy ny sivana ho an’ireo mpisitraka

Maro isan-karazany ny fandaharan'asa fiahiana ara-sosialy. Araka izany dia nosivanina ny olona afaka misitraka ity Tsimbina ity. Ireo tokantrano efa misitraka ireo fandaharan'asa sosialy toy ny Vatsin'Ankohonana, Asa Avotra Mirindra, Mijoro ary Milofo dia tsy afaka misitraka azy intsony, hoy ny fanazavana. Etsy andaniny dia maimaimpoana tanteraka ny fahafahana misitraka izany. Ankoatra ny fanomezana lelavola dia misy ihany koa ireo tan-tsoroka omena ireo tokantrano momba ireo fomba fanao manatsara ny toe-piainan'izy ireo, ny fanatsarana ny fanabeazana ny ankizy sy fanentanana amin'ny fomba fisakafo ara-pahasalamana ary ny fomba fampitomboana ny fidiram-bola isaky ny tokantrano. Mba hahafahan'ireo mpisitraka mahazo ny ampahany faharoa amin'ilay fanampiana dia tsy maintsy mandray anjara amin'ireo tan-tsoroka izy ireo. Tsara ny manamarika fa efa tokantrano miisa 251 191 amina distrika 67 ankehitriny no efa nisitraka ny TSIMBINA. Tokantrano miisa 2724 manerana ireo boriboritany dimy eto Antananarivo no hisitraka ny ampahany voalohany. Tanterahina amin’ity herinandro ity, vatany vao azo ny fankatoavana ny fampitana am-bava ity izay ho tanterahin’ny Ministeran’ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires