• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mndpt
Image
Vaovao

MNDPT: Atrik'asa ho fanatanterahana ny tetikasa fisoratana anarana biometrika sy ny karapanondro biometrika

08/08/2024 13:46 © Moov

Miroso ny asa ho fampiasana manontolo ny haitao ara-kajy mirindra. Nanatanteraka atrikasa ho fanatanterahana ny tetikasa fisoratana anarana biometrika (enrôlement biométrique) ny malagasy rehetra ny avy ao amin'ny Ministeran'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Tao anatin’izany fivoriana izany ihany koa ny mikasika ny fanavaozana ny « état civil » malagasy. Niaraka nivory teny Antaninarenina ireo tompon'andraikitra startejika isan-tsokajiny ao anatin'ity tetikasa lehibe ity.

Fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana

Tetikasa lehiben'ny Fiadidiana ny Repoblika ity tanterahina ity. Ho ezahina ho tratrarina amin'izany ny Malagasy rehetra. Araka izany dia mila ny fiaraha-miasan'ny rafi-panjakana maro ny asa ho tanterahina. Tonga nanotrona izany fivoriana izany araka izany ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, misolo toerana vonjy maika ny minisitry ny Atitany, Atoa Naina Andriatsitohaina. Ny minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Atoa Tahina Razafindramalo. Ny sekretera jeneralin’ny ministera roa tonta. Ankoatra izany ireo avy amin'ny tetikasa mpiara-miasa. Ao anatin'izany ny mpandrindra ny tetikasa PRODIGY, Nirina Rahaingonjatovo, ny mpandrindra ny PREA, Hasina Rakotozafiarisoa. Ny Tale jeneralin’ny Foibem-pirenena misahana ny maha olom-pirenena, Holy Volana Rakotonirina ary ireo avy ao amin'ny ekipan' ny Banky iraisam-pirenena ho an'ny tetikasa PRODIGY, Zubair BHATTI. Marihina moa fa ny tanjon'ny fanjakana dia ny hanonta karinem-pokontany biometrika hatramin’ny 3 tapitrisa amin’ity taona ity.

Paik'ady vaovao sy mirindra

Ny tanjona tamin'ity fihaonana ity dia ny fametrahana paik'ady mirindra, miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka samihafa. Aorian'izany dia hametraka paik'ady mahomby ihany koa amin'ny fametrahana, eo amin'ny sehatra nasionaly, ny fisoratana anarana biometrika izy ireo. Tafiditra ao anatin'ny tanjona ihany koa ny hanafainganana ny fanatanterahana ny tetikasa izay laharam-pahamehana. Voalohany indrindra amin'izany ny fanavaozana ny sata sivily sy ny fitantanana ny famantarana tokana miaraka amin'ny fampiharana ny kara-panondrom-pirenena biometrika. Ity farany ity izay vinavinaina hanomboka amin’ity taona ity. Farany ao anatin'izany ny hanatsarana ny tahan'ny fandoavana famatsiam-bola ny tetikasa Prodigy izay 25% izany amin'izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires