• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Albinos Madagascar
Image
Vaovao

Trangam-piarahamonina: Tratra ireo jiolahy nanapadoha zaza varira tany Vangaindrano

27/06/2024 16:46 © Moov

Nitohy ny fikarohana ireo jiolahy nanapa-doha zaza varira tany amin’ny Distrikan’ny Vangaindrano ny herinandro lasa teo. Zaza 10 taona no nalain’izy ireo ankeriny tao amin’ny tanànan’ny Ranomena ka novonoiny. Nentin’izy ireo ny lohany raha ny vata-mangatsiakany kosa no hitan’ny fokonolona tany anaty ala.

Sorona hiadiana volamena

Rehefa tratra ireto jiolahy miisa telo ireto dia nilaza sy nanoro ny mpimasy izay naniraka azy ireo. Raha ny fanazavana azo hatrany dia nilaza ireto jiolahy ireto fa hanaovana sorona ireo varira izay tadiavin’izy ireo. Ny tanjona amin’izany raha ny fanazavana dia natao mba hiadiana sy hikarohana volamena. Tsy ity zaza ity irery fa matetika ireto jiolahy ireto no mitady zaza varira toy izao. Matetika ihany koa dia ny sorona hatrany no ilain’izy ireo ireny zaza ireny. Raha ny miverimberina dia ny masony no esorin’ireo jiolahy. Miova indray izany amin’izao fotoana izao ary tena mamono olona mihitsy izy ireo. Etsy andaniny anefa dia maty ihany koa ny jiolahy iray tamin’ireo tratra rehefa nikasa handositra. Efa karohina ireo jiolahy ambiny.

Olona mitovy amin’ny rehetra

Tsy mijanona ihany koa ny fanentanana fa olona toy ny olon-drehetra ny olona manana ny toe-tena varira. Amin’ny ankapobeny dia olona manana hoditra hafa fotsiny izy ireo fa toy ny olona rehetra ihany. Mbola maro hatramin’izao ny olona mieritreritra rehefa mahita ireny olona ireny fa miavaka izy ireo. Toetra tokony hialana izany mba hahafahana miaro ireny karazan’olona ireny. Mbola ezaka lehibe ihany koa ny famongorana ny fakana an-keriny ireny zaza ireny. Asa lehibe tokony ho raisin’ny Fanjakana an-tanana izany. Efa azo lazaina ho misy ihany ireo ezaka hatao amin’ny fiarovana azy ireo. Mbola azo lazaina ho tsy ampy izany ka mila fanamafisana hatrany. Ny fikambanana Albinos Madagascar dia tsy mitsahatra mitady ny fomba hiarovana ireto zaza ireto hatramin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires