• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fapbm
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Tsy ampy ny famatsiam-bola hiarovana ny faritra arovana hoy ny avy ao amin’ny FAPBM

27/06/2024 15:08 © Moov

Mbola mila 30 hatramin’ny 50 tapitrisa dolara isan-taona ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM) amin’ny famatsiam-bola ilain’izy ireo hiarovana ny faritra arovana rehetra eto Madagasikara.

Marihina fa ho an’ny faritra arovana miisa 70 io lela-vola io kanefa miisa 123 izany eto Madagasikara. Araka izany dia mbola midangana ny filàna ara-bola eto Madagasikara hahafahana miaro ireny toerana manan-danja ireny. Raha ny fanazavana hatrany dia mitentina 26 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola tamin’ity taona 2024 ity.

Fampandehanan-draharaha

Nanamarika ny avy ao amin’ny FAPBM fa tsy rendrarendra no ilaina izany vola izany fa tena zava-dehibe ho an’ny tontolo iainantsika. Ny famatsiam-bola omena ny mpitantana ny faritra arovana dia ahafahan'izy ireo miantoka ny fandaniana amin'ny asa. Anisan’izany ny karaman'ny manam-pahaizana miasa amin’ireny toerana ireny sy ny vondrom-piarahamonina eny an-kianja. Ao ihany koa ireo asa hafa mifandraika amin'ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina. « Mila vola ny fikojakojana ny faritra arovana ary tena lafo. Amin’ny alalan’io famatsiam-bola io no hahafahana mampiasa ny fitaovana sy ny fanatanterahana ny asa rehetra », hoy Alain Liva Raharijaona, Filoha mpanatanteraka ao amin’ny FAPBM. Nanazava rahateo ihany koa ny tenany fa misy ala very hatramin’ny 1.5% amin’ny ala rehetra eto Madagasikara isan-taona. Araka izany, io famatsiam-bola io no vahaolana mba hahafahana miaro izany rehetra izany. Tafiditra ao ihany koa ny fanampiana ny olona mipetraka manodidina ny faritra arovana mba hialany amin’ny fanimbana ny karazanjavamananaina.

Mila manatevina ny asa

Nanamarika ihany koa ny avy ao amin’ny FAPBM fa mbola tsy mahasahana ny asa rehetra tokony hataony hiarovana ireo faritra arovana izy ireo. « Amin’izao fotoana izao izahay dia lasa manao toy ny asan’ny mpamonjy voina sy ny mpamono afo ihany. Miaro mba tsy hihitatra ny zava-misy eny amin’ireny toerana ireny. Mbola maro ny asa tokony hataonay », hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity. Izany rehetra izany no ilaina ny famatsiam-bola hoy ihany ny avy ao amin’ny FAPBM.
Etsy andaniny dia mila manatevina ny asany ihany koa ny Fanjakana. Any amin’ny firenena hafa, famatsiam-bola avy amin’ny fomba telo no hiarovana ireny faritra ireny. Ao anatin’izany ny fanampiana avy amin’ny fanjakana, fitsidihan’ny mpizahatany ary fanampiana avy mpiaro fototra toa ny FAPBM. « Tsy ampy ny loharanon-karenan’ny Fanjakana ka tsy mahazo tombony amin’ny vola ny faritra arovana Malagasy », hoy hatrany ny avy ao amin’ny FAPBM. Tsy ampy ihany koa ny fidiram-bolan’ny fizahantany ka mila fanovana avokoa izany fomba fiasa rehetra izany hanampiana io fidiram-bola ho an’ny FAPBM io.

Lire la suite

Articles Similaires