• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

ASARAMANITRA 26 JONA- Fankalazana mamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy

27/06/2024 03:43 © Moov

Faniriana hoy ny filoham-pirenena ny hiray fo, hiray saina, hiray hina ny Malagasy tsy ankanavaka mandritra izao fankalazana ny 26 Jona izao.

Hiaraka handroso sy hampandroso an’ny Madagasikara no tanjona ho an'ny firenena. Ankoatra ny fankalazana ny daty nahazoana ny fahaleovantena ny Malagasy, andro manan-danja ary goavana ho an’ireo folohalindahy manerana ny nosy ny omaly. Feno 64 taona ny nijoroan’izy ireo teto amin’ny firenena. Notoloran’ny filoham-pirenena firariantsoa manokana izy ireo nahatrarana izany. Manan-danja manokana ho an’i Madagasikara hoy ny filoha ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Antony nisafidianana ny teny filamatra amin’izao fankalazana izao ny hoe « Madagasikara mandroso, Malagasy miara mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana ». Nasongadiny tao anatin’ny lahateniny fa zava-dehibe ny asan’ireo mpitandro filaminana. Ireto farany no trandroka hiaro ny vozona, miaro ny vahoaka sy ny fananany, mampanjaka ny fandriampahalemana, ary miaro ny fiandrianam-pirenena. Ireo adidy goavana sahanin’izy ireo ho any firenena izany no antony hanamarihana amin’ny alalan'ny matso isan-taona. Fotoana ahafahan’izy maneho amin’ny vahoaka Malagasy manontolo izay toerana sahanin’izy ireo izany.

Andraikitra goavana no sahanin’ireo folohalindahy

Manan-danja ho an’ireo tafika Malagasy ny fanotronan’ireo vahoaka Malagasy ny matso. Nisy ny moa fianianana nataon’izy ireo mialoha ny matso, nanehoana ny fahavonany amin’ireo adidy ho andry ny vahoaka Malagasy. Ny fampandrosoana rehetra dia ilaina tanterahana ao anaty fiombonan-tsaina sy fiombonam-po. Nampatsiahy ny vahoaka Malagasy rehetra tsy hanaiky ho zarazaraina araka izany ny filoha tao anatin’ny lahateniny teny Mahamasina.

Lire la suite

Articles Similaires