• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice Madagascar
Image
Vaovao

Iray volan’ny ankizy : Notolorana fanampiana ihany koa ny ankizy beazina ao amin’ny Akany Avoko

18/06/2024 11:51 © Moov

Mankalaza ny iray volan’ny ankizy ihany koa ny Akany Avoko Bevalala amin’izao fotoana izao. Notoloran’ny Ministeran’ny Fitsarana fanampiana izy ireo ao anatin’izany fankalazana izany. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana ao amin’io Akany io no kendrena voalohany tamin’izany.

Zo hampianarina

« Na dia any amin’ny toerana toy itony aza ny ankizy dia tsy maintsy misitraka hatrany ny zony », hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Mifandray amin’izany dia anisan’ny fanomezana natolotra azy ireto ny boky sy fitaovana samihafa hahafahana mianatra. Izany dia natao mba hampisitrahana azy ireo ny zo fototra izay tokony hananany, ao anatin’izany ny fianarana. Marihina fa misy mpianatra manala fanadinam-panjakana CEPE, misy hanala BEPC ary misy hanala BAC ihany koa ireo zaza beazina ireo. Hanampy tosika azy ireo amin’ny fianarany no anton’ny fanampiana hoy hatrany ny Minisitra. Marihina fa ity toerana ity dia eo ambany fiahian’ity Ministera ity. Torak’izany ihany koa ny eny Ambohidratrimo ka ny didim-pitsarana na ny « ordonnance » avy amin’ny fitsarana no mandefa azy ireo eny amin’ireo toerana ireo. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa ny Akany Avoko dia voairaka hiaro sy hanabe ireo ankizy voahilika teny anivon’ny fiaraha-monina noho ny antony samihafa. Tsy boky irery ihany fa tao anatin’ny fanomezana ihany koa ny akanjo mafana ,sakafo, akanjo fitafy ary fitaovana fidiovana samihafa.

Ankizy miavaka rehetra

Raisin’ny Ministera ho laharam-pahamehana ny fanohanana ny ankizy miavaka amin’ny fiaraha-monina rehefa andro natokana ho fampanajana ny zony tahaka izao. Miaraka amin’izany ihany koa ireo voatery tsy misitraka izany noho ny zava-misy eo aminy. Araka izany dia tsy ny teny amin’ny Akany Avokoa irery ihany no nisitraka fanampiana toy izao. Efa nitsidika ny toerana maro ahitana ireny ankizy ireny ny Ministera nitondra izay voatsirambin’ny tanana. Ansian’izany ohatra ny teny amin’ny Centre Soleil, Akamasoa, toeram-pamonjana ao Ambatolampy ary ny eny Antanimora. « Mbola ankizy tokony hisitraka ny zokiny avokoa ireny ka tsy mahatsiaro manana andraikitra ny Ministera. Izany no anton’izao fanampiana izao », hoy hatrany ny Minisitra. Ho fanantanterahina hatrany ny andry voalohan'ny Fitondram-panjakana izay mitandro ny maha-olona izany rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires