• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fitaterana mikorisa an-tariby : Hatomboka rahampitso 19 jona ny andrana hitondra olona voalohany

18/06/2024 09:48 © Moov

Hiditra amin’ny andrana mitondra olona amin’izay ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) amin’ny fampiasana ny fitaterana mikorisa an-tariby (téléphérique). Tapitra omaly alatsinainy ny fe-potoana amin’ny andrana nampiasaina vesatra tamin’ny alalana « bidon » misy rano. Tafiditra ao anatin’ny dingana rehetra amin’ny andrana avokoa izany.

Alohan’ny fetin’ny 26 jona

Nanambara i Gérard Andriamanohisoa, avy ao amin’ny SENVH fa hanomboka ny 19 jona ny andrana amin’ny fitondrana olona. Hisy matihanina maro avy any ivelany no hanatanteraka izany andrana izany ka hitily sy hampanaraka ny fenitra Eropeanina ity fomba fitaterana ity. Marihina fa izany fenitra izany dia anisan’ny azo antoka sy tsy tokony hisy hatahorana raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny SENVH hatrany. Vesatra eo ho eo amin’ny 700 kilao eo no tokony ho zakan’ity fitaovam-pitaterana ity ka izany no andrana hatao amin’izao hitondrana olona izao. Rehefa hita fa tomombana avokoa izany rehetra izany dia heverina hiasa alohan’ny fetim-pirenena ny 26 jona izao ity fomba fitaterana vaovao ity. Anisan’ny hojerena amin’izany andrana izany ny lafiny ara-teknika sy ny fizotran’ny fomba fitaterana olona. « Cabine » miisa 27 no miaraka mandeha amin’ity zotra volomboasary mampitohy an’ny Anosy sy Soarano ity amin’izao voalohany izao. Raha ny fanazavana avy ao amin’ny SENVH hatrany dia 3 minitra monja no hanaovana ity lalana ity.

Saran-dalana 3 000 ariary hatramin’ny 5 000 ariary

Efa andro maromaro sisa no isaina dia azo heverina ho azo ampaisaina amin’izay ity fitaterana mikorisa an-tariby ity. Hatreto dia mbola tsy nisy ny saran-dalana tapaka navoaka tamin’izany fa mbola mijanona ho 3 000 ariary hatramin’ny 5 000 ariary ihany izany. Etsy andaniny anefa dia nanamafy ny avy ao amin’ny SENVH fa hisy ny fijerena manokana ny lafiny ara-tsosialy. Hisy ny fampidinana saran-dalana ho an’ireo izay handoa ny sarany isam-bolana. Anisan’ny raisina ho zava-dehibe ihany koa ny mpianatra sy ny zokiolona. Hisitraka fihenam-bidy ihany koa izy ireo hoy ny avy ao amin’ny SENVH.
Anisan’ny hamorona asa ho an’ny tanora sy ny manampahaizana malagasy maro ihany koa ity fomba fitaterana ity. Ankoatra izany anefa dia hanala ny fahasahiranan’ireo izay tena maika amin’ny dia izay halehany ihany koa. Raha ny fanazavana hatrany dia hiasa manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 8 ora sy sasany alina ny fitaterana mikorisa an-tariby ity.

Lire la suite

Articles Similaires