• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wateraid
Image
Vaovao

Kianja Wimbledon : Sary lehibe maneho mpianaka malagasy, ho fanentanana momba ny rano

12/06/2024 11:21 © Moov.Mg

Ahitana sary lehibe vita amin’ny harato sy baolina tenisy, ao amin’ny kianja filalaovana tenisy All England Club an’i Wimbledon, any Londres. Reny tera-tany malagasy ny zanany no vita sary goavambe, manerana ny kianja. Tanjona nanaovana azy ny hanentanana amin’ny fisitrahan’ny ankizy maneran-tany rano fisotro madio.

Tetikasan’ny WaterAid

Ny 1 jolay hatramin’ny 14 jolay ho avy izao no hanatanterahana ny fifanintsanana Wimbledon 2024, ao amin’ny All England Lawn Tennis Club, iray amin’ireo kianja malaza ao Wimbledon. Amin’ity taona ity, ankoatra ny fankafizana ny lalao tenisy, dia ho afaka hankafy ny sangan’asan’ny mpanakanto ao anatin’ny « Sand in Your Eye » ihany koa ny mpijery. Ny Fondation Wimbledon sy ny WaterAid no nampanao ity sary goavana be ity. Mampiseho renim-pianakaviana malagasy, i Anja, sy i Dylan zanany, izany sanganasa izany, izay nalaina tahaka tamin’ny saripika nalain’i Ernest Randriarimalala. Mponina ao amin’ny Fokontany Antsakambahiny Distrikan’i Manjakandriana izy ireo, ary nisitraka ny tetikasa famatsiana rano madion’ny WaterAid Madagascar. Maneho ny tsiky feno hafalian’izy mianaka, nahazo izany rano fisotro madio izany, ilay sangan’asa, izay ho hitan’ireo mpijery ny fifanintsanana tenisy rehetra amin’ny lalao Wimbledon faha-137. Ora 9 no lanin’ireo mpanakanton’ny Sand in Your Eye, nanamboarana ity sary lehibe ity.

Zaza 1.000 isan’andro no maty

Tanjona tamin’ny nanaovana ity sary môzaika lehibe ity ny hampitana hafatra, dia ny hoe : zaza 1.000 isa mahery, isak’ireo andro hanatanterahana ny fifanintsanana, no mety ho voavonjy raha toa izy ireo ka misitraka rano fisotro madio, toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana. Manodidina ny olona 1 amin’ny 10 tokoa mantsy, maneran-tany, no tsy manana rano fisotro madio akaikin’ny toeram-ponenany ary olona manodidina ny 1 amin’ny 5 no tsy manana toeram-pivoahana mendrika. Na ireo tobim-pahasalamana ihany koa aza dia maro no sahirana amin’ny fahazoana rano fisotro madio aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ho an’ny eto Madagasikara, araka ny antontan’isa MICS 2018, dia tsy misitraka rano nohatsaraina ny 57%-n’ny mponina. Olona 4 amin’ny 5 no misotro rano misy E.coli, izany hoe misy diky. Raha ny tombana dia zaza latsaky ny 5 taona miisa 400.000 no mamoy ny ainy isan-taona eran-tany, vokatry ny aretina ateraky ny fahalotoan’ny rano sy ny tsy fahampian’ny fidiovana sy fanadiovana. Zaza maherin’ny 1 000 isan’andro izany, ary zaza iray isaky ny 1mn30s.

Lire la suite

Articles Similaires