• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Vinavinaina haverina amin’ny faran’ity volana jona ity ireo sokatra miisa 400 tratra tao Comores

11/06/2024 14:45 © Moov

Nitondra fanazavana androany ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy mahakasika ireo sokatra miisa 400 tratra tao Comores ny herinandro lasa teo. Araka izany dia heverina ho tafaverina eto amin’ity volana jona ity ihany ireo harena voajanahary ireo.

Efa mandeha ny fifampiraharahana

Nilaza araka izany ity minisitra ity fa efa mandeha ny fifampiraharahana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra. Azo heverina araka izany ny hampodiana ireto harena lehibe ho an’ny Madagasikara ireto ao anatin’ny fotoana haingana indrindra. « Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena mikasika ireo karazana biby sy zavamananaina atahorana ho lany tamingana (CITES Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction). Ka io farany io ihany no mamaritra ny fepetra tokony raisina rehefa misy zava-mitranga toy izao », hoy i Max Andonirina Fontaine, Minisitry ny tontolo iainana. Efa nandeha ireo fifampiresahana tamin’ny minisitry ny tontolo iainana ao Comores. Efa mifampiresaka ihany koa amin’izao fotoana izao ireo ministeran’ny raharaham-bahiny roa samihafa amin’ny famerenana ireo harena mampiavaka an’ny Madagasikara ireo. Samy efa nifanaiky ireo rehetra ireo fa tsy misy tokony hibahana izany fampodiana ireto sokatra ireto izany. Araka izany dia tokony tsy hioatra ny faran’ity volana jona ity ny fampodiana ireo sokatra miisa 400 ireo.

Harena sarobidy

Tsara ny manamarika fa amin’ny maha harena sarobidy tsy hita raha tsy eto Madagasikara ireo sokatra ireo no antony hanondranan’ireo mpanao ratsy azy. Lafo vidy izy ireny any ivelany any ka izany indrindra no saika nitondrana azy ho any Tanzanie no izao tratra tao Comores izao. « Efa mahafantatra araka izany ny kaomorianina fa sarobidy ireo sokatra ireo ka tsy tokony hisy ny sakana amin’ny fampodiana azy ireo farany izay haingana », hoy hatrany ity Minisitra ity. Tsara moa ny mampatsiahy fa tamin’ny alalan’ny sambo no nivoahan’ireto sokatra ireto. Olona miisa telo no tompon’andraikitra tamin’izany ka efa nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires