• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère Des Transports
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Ny 75% an’ireo loza amin’ny fitaterana an-dalamby dia eny anivon’ny fihaonan’ny arabe sy ny lalamby

11/06/2024 14:03 © Moov

Ankalazaina isaky ny 10 jona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanentanana amin’ny aro loza eny amin’ny fitsakana làlamby ary tsy latsa-danja amin’izany isika eto Madagasikara. Haharitra herinandro izany eto Madagasikara. Nilaza ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitaterana fa ny 75% ny loza eny amin’ny lalam-by dia miseho eny anivon’ny fihaonan’ny arabe sy ny lalamby. Araka izany ny tanjon’ity fankalzana ity dia ny hampihena araka izay tratra ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby.

Tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana

Mbola maro ireo fanentanana tsy maintsy hatao hahatrarana ny tanjona. Raha ny fanamarihan’ny avy ao amin’ity ministera ity dia miankina betsaka amin’ny tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana izany loza izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fiara, ny kodiaran-droa ary ihany koa ny mpandeha tongotra. Araka izany dia fanentanana ireny mpampiasa lalana rehetra ireny no natao ho fanamarihana ity andro iraisam-pirenena ity. « Entanina ny mpampiasa lalana rehetra satria miantoka lehibe ny fihenan’ny loza izy ireo. Tsy maintsy hampianarina azy ireo ny fepetra tokony raisina rehefa mandalo ny lamasinina », hoy hatrany ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana. Tsara ny manamarika fa volazan’ity ministera ity fa tsy mba diso ny fiarandalamby ka izany indrindra no hanamafisana ny fanentanana ireo olona hafa mpampaisa lalana. Eny amin’ireo toerana fitsakana lalamby rehetra manerana ny Nosy.

Miisa 257 ny isan’ny fitsakana lalamby

Manodidina ny 257 ny isan’ny fitsakana lalamby miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ireo misy mpiambina na tsia, amin’ny zotra an-dalamby TCE, MLA, VMC, TWS, TA, FCE. Misy ihany koa anefa ireo fitsakana lalamby tsy miankina amin’ny fanjakana fa an’olontsotra izay maro ihany koa. Araka izany , mba ho fanatrarana ny tanjona dia hanatanterahana fanentanana avokoa ireo toerana rehetra misy ireo zotra ireo. Tafiditra ao anatin’izany Antananarivo Renivohitra, Anjeva, Moramanga, Toamasina ary Fianarantsoa. Ao anatin’izany dia ahitana ireto mpanentana ireto avokoa ny tobim-piantsonana sy ireo fitsakana làlamby eny amin'ny tanan-dehibe. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpanadina fanadinana mamily fiarakodia.

Lire la suite

Articles Similaires