• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eps Bac
Image
Vaovao

EPS BAC : Ahitana lesoka ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa sy ny fitaovana

11/06/2024 11:49 © Moov

Nanomboka omaly ny adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bakalorea. Anisan’ny mampikorontana ny fandehan’ny fanadinana ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa sy ny enti-manana amin’izany. Manatanteraka ny fanadinana araka izay zava-misy eny ny isaky ny foibe.

Mindrana toeram-pilalaovana

Anisan’ny misedra izany olana izany ny mpiadina tao amin’ny Kianja Alarobia. Miisa 8 000 eo ho eo ny mpiadina ao an-toerana ary ahitana ny safidy rehetra izany. Ao anatin’izany ny lalao ataon’olon-tokana. Voatery nindrana kianja tao amin’ny Lycée Technique Alarobia ireo mpiadina hanatanterahana ny taranja « basket-ball », « volley-ball », « hand-ball » ary ny « rugby ». «Voatery izahay tsy maintsy miara-miasa amin’io sekoly io satria ny taranja baolina kitra irery ihany no afaka raisina ato amin’ny kianja Alarobia. Araka izany dia efa mifandamina izahay mpanadina rehetra ny amin’izany », hoy ny Lehiben’ny foibem-panadinana tetsy amin’ny Kianja Alarobia. Etsy andaniny anefa dia nanamarika ireto mpanadina ireto fa efa manara-penitra ny kianja. « Anisan’ny nanamarika ity adina tamin’ity taona 2024 ity ny fahafahan’ireo mpanaraka niditra ny kianja satria efa manara-penitra ity farany. Efa mitokana ny toerana misy ireo mpanatrika sy ny toerana misy ny mpiadina ka azo lazaina ho milamina », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Araka izany, tsy ny adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bakalorea ihany no mila izany kianja izany fa ny lalao maro isan-karazany afaka raisina eto. Mbola maro ihany koa ireo lesoka tokony harenina amin’ny manodidina izany fotodrafitr’asa izany.

Fampitaovana ara-medikaly

Azo lazaina ho nilamina ihany koa ny teo amin’ny lafiny ara-teknika ankoatra ny kandida narary tampoka ka tsy tonga. Eo ihany koa ireo mpianatra izay tsy nahampy ny antontan-taratasiny. Ankoatra izany dia mbola lesoka ihany koa ny tsy fahampian’ny enti-manana teo amin’ny lafiny fitsaboana. Araka ny fantatra dia mpiadina iray no torana teo am-panaovana ny hazakazaka 800 m ka avy hatrany dia nalefa tany amin’ny hôpitaly rehefa tsy ampy ny fitaovana hampiasain’ireo mpitsabo teo an-toerana. Amin’izao fotoana izao anefa dia nandray fepetra ireo avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony ny nametraka fiara mpitondra marary ao amin’io foibem-panadinana io.
Marihina fa haharitra folo andro ity adina ity ary samy manana ny foibem-panadinanay avokoa ireo mpiadina tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires