• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

LFR 2024 : Hampitomboina ho 475 miliara ariary ny vola fanampiana ny JIRAMA

10/06/2024 15:03 © Moov

Araka ny tatitra izay nataon’ny minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola momba ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024 dia nisongadina ny fampiakarana ny vola hamatsiana ny sehatry ny angovo. Araka izany dia nampiakarina ho 475 miliara ariary ny vola fanampiana ny orinasa JIRAMA ho an’ity taona 2024 ity. Mitentina teo amin’ny 300 miliara ariary teo izany tany am-piandohana.

Niakatra hatramin’ny 58.3%

Raha io LFR 2024 io dia nahitana fa nihena ny fidirambolam-panjakana raha hampitahaina amin’ny vinavina voalaza tao amin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana 2024. Etsy andaniny anefa dia nasiana fiakarany ity tetibola fanampiana ity orinasam-panjakana JIRAMA ity. Niakatra hatramin’ny 58.3% izany raha 300 miliara tany ampiandohana. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany hoy hatrany ity Minisitra ity noho ireo trosa maro be izay nivangongo ao amin’ny kaontin’ity orinasa ity. Nambaran’ny minisitra Rindra Rabarinirinarison ihany koa fa tsy afaka mijanona tsy manao na inona na inona ny Fanjakana manoloana ny zava-misy iainan’ity orinasa ity. Marihina moa fa nalaina tao anatin’ny tetibolam-panjakana amin’ny ankapobeny izany vola izany. Ilay 300 miliara tany ampiandohana anefa dia novinavinaina tamin’ny alalan’ny mety ho fialan’ny Madagasikara amin’ny fampiasana solika. Voalza tamin’izany fa hampiasa ireo herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina i Madagasikara. Ankehitriny dia mbola misy tsy tomombana ireo fitaovana ka tsy maintsy nampiana ity teti-bola ity hoy hatrany ny minisitra.

Niakatra ny fanampiana ho an’ny sehatry ny angovo

Mbola tao anatin’ity LFR ity hatrany. Nasiam-panitsiana ny teti-bola hanampiana amin’ny sehatry ny angovo. Mitentina 1.034 miliara ariary indray izany ho amin’ity taona ity. Etsy andaniny anefa dia nampidinina ihany koa ny teti-bola ho an’ny mpiasam-panjakana. Ao anatin’izany dia tsy hisy ny fandraisana mpiasma-panjakana amin’ity taona ity ankoatra ny ao amin’ny mpitandro filaminana irery ihany. Voarakitra tao anatin’ny
Tsara ny manamarika fa lany tsy nisy nitsipaka ary tsy nasiam-panovana tamin’ny tsangan-tanana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana na ny PLFR 2024 anio. Nanamafy ny ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa ho fampifandanjana eo amin'ny vola hiditra sy ny vola hivoaka no votoatin’ity PLFR 2024 ity.

Lire la suite

Articles Similaires