• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gasigasy.Mg
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsosialy : Tafiditra amin’ny fomba ofisialy ao anatin’ny Sendika FISEMARE ny mpiasa tena

10/06/2024 13:50 © Moov

Natsangana ara-dalana sy ara-panjakana ny faran’ny herinandro teo ny fidiran’ny mpiasa tena ao anatin’ny sendika FISEMARE. Ny mpivarotra kiraro sy akanjo manodidina ny ranon’ny Behoririka no nanomboka izany fidirana amin’ny ara-dalana izany.

Asa mendrika

Ny tanjon’ny fidirana ao anatin’ny sendika FISEMARE (Confédération des Syndicats des Travailleurs Malagasy Révolutionnaires (FISEMARE) raha eto Madagasikara dia ny hanome asa mendrika ny mpiasa rehetra eto Madagasikara. Anisan’ny manan-jo amin’izany ihany koa ny mpiasa tena. Ireo mpivarotra eny Behoririka araka izany no nanomboka ity fidirana amin’ny ara-dalana ity voalohany. « Tokony hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ireto mpikambana ireto. Izany no anton’izao fidirany ato anatin’ny sendika izao. Izany ihany koa no hahafahana mamaritra ny maha asa mendrika ny aasan’izy ireo », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny FISEMARE. Amin’ny alalan’izany izy ireto dia afaka manaraka ny rafitra mipetraka ka tsy hanao fangala-piery amin’ireo mpiasan’ny Kaominina intsony. Anisan’ny mamaritra ny asa mendrika ihany koa ny filaminana amin’ny fanatanterahana ny asa ka zava-dehibe ny fidirana amin’izany Sendika izany.

Haely manerana ny Nosy

Ny sasany tamin’ireo mpivarotra eo Behoririka ihany amin’izao no efa resy lahatra tamin’ity fidirana anaty Sendika ity. Ilaina anefa izany hoy hatrany avy ao amin’ny Sendika ka mbola hanentanana ireo rehetra hafa. Haparitaka manerana ny Nosy ihany koa izany fisokafan’ny Sendika amin’ny sehatra rehetra izany ka afaka hisitraka ny tombontsoa ao anatiny ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka. Nanamafy ireo mpivarotra fa hiditra amin’ny ara-dalana amin’izay izy ireo mba hahafahana misitraka ireo tombontsoa rehetra. Anisan’ny nolazain’ireo mpivarotra tamin’izany fa afaka hitarainana amin’ireo olana izay mety hiseho ny fidirana amin’ny Sendika ary afaka hiaro izy ireo amin’izany. Anisan’ny afaka ho sitrahin’ireo mpikambana rahateo ihany koa ny fanampiana avy amin’ireo mpikambana amin’ny Sendika amin’ireo filàna isan-karazany. Marihina fa efa an-taonany maro ireo mpivarotra ireo no efa niaina tsy ara-dalàna ka izao miditra tsikelikely amin’ny sehatry ny ara-dalàna izao amin’izay.

Lire la suite

Articles Similaires