• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Coach Roro - Moov
Image
Vaovao

Coach Roro : « Mila mandresy an’ny Mali ny Barea raha te hitazona ny laharana voalohany hatramin’ny 2025 »

10/06/2024 10:08 © Moov

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny lalao hifanandrinana amin’ny ekipam-pirenena avy ao Mali ny Barea amin’izao fotoana izao. Mbola mafy ny ady miandry azy ireo. Araka ny fanazavan’ny Coach Rakotondrabe Romuald Felix na i Coach Roro dia mila mandresy an’ny Mali isika raha te hitazona io laharana voalohany ao anaty vondrona I io hatramin’ny 2025.

Tsy mitovy ny lalao atao amin’ny Comores sy Mali

Nanamafy hatrany ity mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ity fa mafimafy ny fanomanana. « Tsy mitovy rahateo ny lalao izay hatao amin’ny Mali sy i Comores izay natao ny zoma lasa teo », hoy hatrany ny tenany. Raha tsiahivina dia nandresy an’ny Comores tamin’ny isa 2 noho 1 ny Barea. Hiady amin’ny ekipa voalohany tao anatin’ny vondrona ny Barea rahampitso ka tsy maintsy mafy ny fanomanana. Manano sarotra izany ihany koa ny fifehezana ny fotoana izay tery. « Marihina fa ao anatin’ny fanomanana ihany koa ny fakana aina hahafahana mahazo hery indray », hoy hatrany ity mpanazatra ity. Mila mahazo isa 3 hatrany anefa ny Barea raha te hitazona io toerana io hatramin’ny 2025 ka mbola te hanohy ny lalao hiadiana ny toerana hanatrehana ny amboara eran-tany. Efa fantatry ny ekipa rahateo izany hoy hatrany ny mpanazatra ka hiady izy ireo hahafahana mahatratra izany tanjona izany.

Tsy hilalao i Hakim Abdallah

Naratra i Hakim Abdallah nandritra ny lalao izay natao tamin’ny Comores ny zoma lasa teo. Araka izany dia hiverina any Frantsa ny tenany ka tsy afka any hijoro amin’ny lalao hatao amin’ny Mali. Anisan’ny olana iray ihany koa ity tsy fijoroan’ity mpilalao ity hoy ny mpanazatra saingy tsy maintsy mivonona. « Efa eo ihany koa i Fabien Boyer hanamafy ny ekipa. Ho hitantsika eo ny vokatra », hoy hatrany ny tenany. Etsy andaniny dia efa nampiomana ny ekipany ity mpanazatra ity fa tsy misy ny lalao moramora na amin’ny ekipa iza na iza ka mila mivonona tsara ara-batana sy ara-tsaina foana.
Tsara ihany koa ny manamarika fa androany alatsinainy vao ho tonga any Johannesburg ny ekipam-pirenena avy ao Mali. Azo heverina ho anisan'ny tombony ho an'ny Barea ny fanazaran-tena efa natao tany an-toerana sy ny fakan'aina tsara, raha mitaha amin'ireo Malianina.

Lire la suite

Articles Similaires