• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Vaovao

Fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny saina : Manohana an’i Madagasikara ny OMS sy ny USAID

10/06/2024 06:47 © Moov.Mg

Mitombo isa ny olona tratran’ny olana ara-tsaina eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, raha ny tsikaritr’ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina. Mbola tsy tafiditra ao anatin’ny fahazaran’ny sarababem-bahoaka anefa ny mandray an-tanana izany fahasalaman’ny saina izany, saingy efa miroso tsikelikely manatsara io sehatra io ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka voakasik’izany.

Mitombo isa ny tanora

Ao amin’ny hôpitalin’Ambovombe Androy, izay isan’ny tohanan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), ao anatin’ny tetikasa CERF, dia tsikaritra fa nihanitombo ny isan’ireo tanora tratran’ny olana ara-tsaina. Ny fidorohana zava-mahadomelina no matetika antony, eo amin’ireo zatovolahy, ary ny fisarahana amin’ny olon-tiana, na ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana (dépression post-partum) no matetika mahatonga ny olana eo amin’ireo tovovavy 13 hatramin’ny 18 taona, hoy ny Dr Henrielle Emasignavy, miasa ho an’ny OMS ao amin’ity hôpitaly ity. Ny OMS moa dia nanome fikarakarana ara-pahasalamana sy fitsaboana ho an'ny olona tratran’ny fikorontanan-tsaina tamin'ny taon-dasa, tany Atsimon’i Madagasikara, tao anatin’ny tetikasa CERF ho fiatrehana ny hain-tany, ary manohy manitatra ny ezaka ataony amin'ny fanomezana torohevitra ara-tsaina bebe kokoa.

Laharam-pahamehana

Tafiditra ao anatin’izany fanohizan’ny OMS ny fandraisana an-tanana ny fahasalamana ara-tsaina eto Madagasikara izany ny fanohanana ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), amin’ireo tetikasany. Ny fitondrana amerikanina tarihin’Atoa Joe Biden ankehitriny dia nanao ny famatsiam-bola ho an'ny fahasalaman-tsaina ho laharam-pahamehana, hoy ny USAID, ka nampidirina tao anatin'ny fanohanan'i Etazonia eo amin’ny lafiny fikarakarana ara-pahasalamana eto Madagasikara, ny fahasalaman-tsaina, nanomboka tamin'ny 2022. Ny 6 sy 7 jona lasa teo dia nisy ny atrikasa momba ny fahasalaman-tsaina natao, izay dingana voalohany amin'ireo hetsika maromaro nomanin’ny USAID sy ny OMS ho an’ny roa taona ho avy, no sady nentina nanamarika ity fiaraha-miasa vaovaon’izy ireo ity. Mpikatroka momba ny fahasalaman’ny saina niisa 160 no nandray anjara tamin’izany sy nitondra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fahasalaman-tsaina.

Hitondra fanatsarana

Isan’ireo nandray anjara tamin’ity atrikasa fakan-kevitra ity ny Tambajotran’ireo haino aman-jery aty Afrika ho an’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana sy ny Tontolo iainana (REMAPSEN). Tao anatin’ny adihevitra nifanaovana dia nanolo-kevitra ny solontenan’ity tambajotra ivondronan’ny mpanao gazety ity, fa tsy azo amaivanina ny haino vaky jery amin'ny ezaka fanentanana, fampahafantarana sy ny haitaky mikasika izany fahasalaman'ny saina izany. Tsara moa ny mahalala fa efa namolavola ny pôlitikany voalohany momba ny fahasalaman-tsaina ny USAID, ary tamin’izany dia notendrena ho mpandrindra iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman-tsaina ny Dr Jerome Galea. Nivahiny teto Madagasikara izy ary isan’ny nandray anjara tamin’ity atrikasa ity. Nambarany fa tena ilaina amin'ny sehatra rehetra amin'ny fampandrosoana sy ny fanampiana maha-olona ny fahasalaman-tsaina sy ny fanohanana ara-tsaina. Heverin’ireo mpisehatra rehetra kosa fa hitondra fanatsarana bebe kokoa eo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman-tsaina eto Madagasikara izao dingana fakan-kevitra notontosaina izao.

Lire la suite

Articles Similaires