• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande : Ho tafaverina eto Madagasikara amin’ny volana jolay

10/06/2024 06:31 © Moov.Mg

Namita iraka tany Thaïlande ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Niompanan’ny anton-diany ny momba ny famerenana aty Madagasikara ireo biby izay tratra naondrana tany an-toerana, sy ny fiaraha-miasa amin’ny fanafoanana ity asa ratsy ity.

Fiaraha-miasa iraisam-pirenena

Mihamitombo ny filàna eo amn’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny karazana biby tsy fahita firy sy arovana tahaka ny varika sy ny sokatra no resahana. Araka izany, lafo vidy izy ireny, ka mampiroborobo ireo mpijirika. I Azia Atsimo Atsinana no tena toeram-pandalovan’ireo biby voafandrika ao anaty trafika ireo, noho izany, manan-danja lehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena tafiditra ao anatin’io faritra io, ho antsika firenena manana biby tsy fahita firy sy mampitsiriritra ireo mpanam-bola sy mpankafy manangona biby sarobidy. Voaresaka tao anatin’ny dian’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, ny momba izay fiaraha-miasa izay, ka tafatsangana ny atao hoe : « Task Force », izay ahitana ny firenena ao Azia Atsimo Atsinana toa an’i Taïwan, Indonésie sy Malaizia, izay vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary mampalaza ny Nosy.

Fanadihadiana lalina

Fa isan’ny nivoitra tamin’ity dian’ny minisitra Fontaine Max Andonirina ity ihany koa ny momba ny famerenana an-tanindrazana ireo biby izay mbola tazonina any Thaïlande hatreto, taorian'ny nanagiazana azy ireo sy ny nisamborana ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fanondranana an-tsokosoko. Raha tsiahivina dia varika 48 isa sy sokatra 1 076 isa izany. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana ao Thaïlande ny minisitry ny Tontolo iainana, ka nangataka ny hanatanterahana fanadihadiana lalina kokoa, tahaka izay efa atao eto Madagasikara, hoy izy. Nihaona tamin’ny minisitry ny tontolo iainana any an-toerana ihany koa izy, niresaka ireo dingana harahin’ny firenena roa tonta, amin’ny famerenana eto Madagasikara ireo biby ireo. Nanamarika ny minisitra Fontaine Max, fa salama sy tsara karakara avokoa ireo biby. Hampifandraisina ireo mpikaroka malagasy sy ireo mpikaroka ao Thaïlande, mba hifampidinika momba ny fikarakarana ireo biby ireo, mandrampampodiana azy ireo eto amintsika. Vinavinaina ho tanteraka, amin’ny faran’ny volana jolay ho avy io, raha ela indrindra, izany famerenana ireo biby izany, araka ny nifanarahan’ny firenena roa tonta.

Lire la suite

Articles Similaires