• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 03 hatramin'ny 09 jona 2024

10/06/2024 00:05 © Moov

Araho indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy ny 03 hatramin'ny alahady 09 jona 2024

Fetin’ny fahaleovantena – Misokatra ny fankalazana

Nomarihana tamin'ny fananganan-tsaina ny fanombohan'ny fankalazana ny faha 64 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Nanoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely no nanatanterahana ny hetsika, ny zoma 7 jona lasa teo. Nanomboka tamin’io andro io ihany koa ny nanombohan’ny fanentanana ny amin’ny hananganana sainam-pirenena isan-tokantrano, eny amin’ireo sekoly sy eny amin’ireo orinasa sy toeram-pivarotana. Efa miha-maro moa ireo biraom-panjakana voaravaka ny lokon’ny sainam-pirenena.

Barea – Nandresy ny komoriana ny Barea

Ny zoma 7 jona, tamin’ny 7 ora hariva (ora eto Madagasikara), no nifanandrina tamin’ny Comores i Madagasikara. Tafiditra amin’ny fifanitsanana iatrehana ny Coupe du Monde FIFA 2026, andro fahatelo, moa izany. Tsara ny vokatra satria nisaraka tamin’ny isa 2-1ny roa tonta. I Rayan Raveloson no nahafaty ny baolina tamin’ny fanombohan’ny lalao, fizarampotoana voalohany. Mbola nahafaty baolina ihany io mpilalao io tamin’ny fizaram-potoana faharoa. Tany amin’ny segondra faramparany no nahafaty baolina ny kaomoriana. Mahavelom-panantenana izao fandresena izao. Mbola mijanona ao Afrika Atsimo ny ekipam-pirenena Malagasy noho ny mbola hiatrehana ny lalao hifanandrinana amin’i Mali.

Diplaomasia # Fihaonana an-tampony Korea-Afrika

Ny 5 jona lasa teo, nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa momba ny harena an-kibon’ny tany tao Séoul, izay manamafy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Korea. Nisy ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavana momba ny fampiroboroboana ny fambolena indrindra ny famokaram-bary eto Madagasikara. Vonona hanohana ny firenena malagasy amin’ny fananganana “complexe rizicole” ny firenena koreana. Manomboka amin’ny famokarana, mandalo amin’ny fanodinana, hatrany amin’ny fivarotana dia ho hita ao anatin’io "complexe rizicole" io avokoa.

Fifidianana Solombavambahoaka – Vokatra vonjimaika ofisialy

Niezaka namoaka fironam-bokatra isan’andro ny CENI tamin’iny herinandro lasa iny. Tsy feno nefa izany fa amin’ny ampahany ihany. Raha ny teto Antananarivo Renivohitra manokana dia saika tsy nahitana vokatra firy. Boriborintany 2 na 3 ihany no nahazoana vokatra nandritra ny andro maromaro. Ny harivan’ny Zoma 7 jona no namoahan’ny CENI ny fironam-bokatra farany. Miandry ny famoahana ofisialy ny vokatra feno ny olom-pirenena rehetra. Rahampitso talata 11 jona, amin’ny 10 ora maraina, no fotoana. Handeha mivantana amin’ny TVM sy RNM ny lanonana eny amin’ny foiben’i CENI Alarobia.

Christine Razanamahasoa – Mety tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza intsony

Raha ny fironam-bokatra voaray tamin’iny herinandro lasa iny dia ny kandida natolotry ny IRMAR, Narson Seth Razafindrabary, no mitarika vonjimaika ao Ambatofinandrahana. Eo ho eo amin’ny 55% eo ny vato azony, raha 45% ny an’i Christine Razanamahasoa, kandida tsy miankina sady filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha.
Ahiana hisy ny disadisa satria raha ny nambaran’ireo mpanaradia an’i Christine Razanamahasoa, io kandida io no tokony ho lany depiote any an-toerana. Milaza izy ireo fa manana ny porofo rehetra, dia ny PV-n’ny birao fandatsaham-bato rehetra. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha, miankina amin’izay voka-pifidianana vonjimaika avoakan’ny CENI.

Antenimierampirenena – Tetibolam-panjakana

Ny zoma 7 jona lasa teo dia nanolotra fanazavana amin’ny ankapobeny momban’ny volavolan-dalàna laharana 012/2024 mirakitra ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2024 (LFR 2024) ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo. Natao izao fanitsiana ny teti-bola-panjakana izao noho ny tsy maintsy handalanjalanjana ny fandaniana sy ny fampidiram-bola. Nomarihiny fa somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity tapany voalohany amin’ity taona 2024 ity. Ny alatsinainy ho avy izao no haroso sy handraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny fivoriambe ny volavolan-dalàna.

Fitaterana an’habakabaka – Hisy sidina Antananarivo-Dubai

Hiasa eto Madagasikara ny kaompania Fly Emirats, manomboka ny 3 septambra ho avy izao. Ity sidina Emirates ity moa dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny politika fampiroboroboana ny fizahan-tany eto Madagasikara. Tsy adino ihany koa ny fanohanana ny toe-karena, noho ny fahafahana mivezivezy malalaka an’ny amin’ny firenena Arabo. Noho izany, hisy sidina 4 isan-kerinandro. Hiala eto Antananarivo ka handalo ao Seychelles ny sidina mihazo an’i Dubai.

Iray volan’ny Ankizy # Fonjan’Ambatolampy

Nanolotra fitaovana sy fitafiana ho an'ireo ankizy voafonja miisa 11 hanala fanadinana CEPE ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ny Sabotsy 8 jona lasa teo. Nisitraka bodofotsy sy boky ary baolina ihany koa ankizy rehetra voafonja ao Ambatolampy. Tamin’io andro io ihany no nanokanana ny toeram-pilalaovam-baolina vaovaon'ny fonjan’Ambatolampy. Izao hetsika izao Dia nentina nanamarihana hatrany ny Iray Volan'ny Ankizy izany, izay manan-jo hianatra sy hahazo fanabeazana ary hiala voly.

CEPE # Aparitaka manerana ny Nosy ny Laza adina

Ny 18 jona ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ireo mpianatra kilasy faha-7. Efa nanomboka tamin’iny herinandro iny ny fandefasana ireo « colis » misy ny laza adina manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny Cisco Mahajanga I, tonga soa aman-tsara teny amin’ny biraon’ny Zandary Bonnet ireo colis miisa 23 mirakitra n'y laza adina CEPE/6e 2024, omaly alahady 9 jona. Ho an’ireo faritra ivelan’Antananarivo dia tehirizina any amin’ny biraon’ny zandary ireo laza adina ambarapahatongan’ny androm-panadinana. Maro ireo ray aman-dreny no efa miomana ka ny fividianana akanjo mafana sy fitaovam-pianarana ampiasaina amin’ny fanadinana no tena ifantohan’izy ireo.

Toliara # Angovo azo havaozina ao Ankililaoka

Mandroso ny ezaka sy ny asa amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. 90 % izao ny fahavitan’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ankililoaka. Manana tanjaka 579 KWc ny ao Ankililoaka, ary 463 KWc ny ao Ambahikily. Afaka fotoana fohy dia hisitraka herinaratra ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankililoaka, sy Ambahikily.

Ihosy # Lehilahy iray maty nolerana tamin'ny antsy

Raim-pianakaviana iray no hita faty nisy namono tao amin'ny fokontany Tanambao, kaominina Ranohira distrikan'ihosy, ny alatsinainy lasa teo. Rakotra dian'antsy ny vatana mangatsiakany. Teny amoron-dalana moa no nahitan'ny olona azy nitsirara.
Olona telo no heverina fa nifanandrina taminy ka ny roalahy nitazona ary ny iray no nanindrona antsy. Olona roa hatreto no nosamborina rehefa voalaza fa ahiahiana ho tompon'antoka tamin'izao vono olona izao. Mitohy ny fanadihadihana.

Kakao # Mitady Tonia mpanatanteraka ny CNC

Ao anatin’ny fitadiavana izay ho Tonia mpanatanteraka ny Filankevi-pirenen’ny kakao (CNC) amin’izao fotoana izao. Afaka mametraka ny antontantaratasy ao amin’ny Biraon’ny CNC Ambanja sy mandefa izany amin’ny adiresy recrutementsecnc@gmail.com (dika mitovy amin’ny adiresy conseil@conseilnationalcacao.mg) ireo izay liana amin’izany. Amin’ny Zoma 14 Jona 2024 no fara-fandraisana ny fanehoana fahalianana.
Hiasa any amin’ny foiben-toerana any Ambanja ny Tonia mpanatanteraky ny Filankevi-pirenen’ny kakao. Amin’ny fanatanterahana ny asany dia mamaita iraka eto Antananarivo, any amin’ny faritra hafa na any ivelany izy.

Lire la suite

Articles Similaires