• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lr
Image
Vaovao

Voka-pifidianana vonjimaika : Fironam-bokatra farany, 7 jona 2024

07/06/2024 19:03 © Moov

Navoakan’ny CENI izao hariva izao ny fironam-bokatra farany, entina hiandrasana ny famoahana ny vokatra vonjimaika ofisialy amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io.

Distrika eo ho eo amin’ny dimampolo no naharaisana fironam-bokatra.Raha ho an’Antananarivo Renivohitra, izay andrasan’ny maro fatratra, dia ny Boriborintany voalohany ihany no misy vokatra amin’ny ampahany.

Antananarivo I (BV 166/202 – 82,18%)

Andriamanoro Augustin, kandida natolotry ny IRMAR sady Minisitry ny Serasera teo aloha, no mitarika hatreto. Nahazo ny salan’isa 38,63% ny tenany. Laharana faharoa kosa ny kandidan’ny Firaisankina sady depiote amperin’asa, Hanitra Razafimanantsoa. Nahazo ny 37,31%-n’ny vato manankery ny tenany.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,27%)

Mitarika amin’ny salan’isa 42,62% ny kandidan’ny Firaisankina, Benjamina Andriamosa. Laharana faharoa hatrany, 29,61%, ny kandidan’ny IRMAR, Rijaniaina Thierry Radafindranaro. Tsy nisy fiovana firy moa ny vokatra voaray.

Antananarivo Atsimondrano (BV 483/624 – 77,40%)

Laharana voalohany hatrany i Voahangy Raharimanarivo, kandidan’ny Firaisankina, amin’ny salan’isa 42,13%. Manaraka azy kosa ny kandidan’ny IRMAR, Andriniony Ratsivahinisolo, 28,29%.

Ambohidratrimo (BV480/572 – 83,92%)

Mitarika amin’ny salan’isa 31,90% ny kandida natolotry ny Firaisankina Maminiaina Solondraibe Rabenirina. Tery dia tery hatrany ny elanelan’isa satria 30,29% no azon’ny kandidan’ny IRMAR, 30,29%.

Ankazobe (BV 166/191 – 86,91%)

Nahazo 52,44% ny kandidan’ny FIVOI, Mamy Tiana Ravelonanosy. Manaraka azy kosa ny kandidan’ny IRMAR, Eddie Ramasiherison, nahazo ny salan’isa 31,72%.

Anjozorobe (BV 194/239 – 81,17%)

Kely dia kely hatrany ny elanelana. Ho lasan’iza àry ny amboara ? Edison Razafintsihoarana, Firaisankina, no nahazo ny salan’isa ambony indrindra, 31,15%. 30% kosa no azon’i Manda Herilaza Ravelojaona, kandida avy amin’ny IRMAR.

Fenoarivobe (117/155 – 75,48%)

Miisa 6 ireo kandida nirotsaka tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka tao Fenoarivobe, faritra Bongolava. Ireto kosa no roa voalohany : Bien Aim Arsne Randrianarisoa (IRMAR) 35,51% sy Jean Claude Arsene Randrianaivomangason (Firaisankina) 27,04%.

Tsiroanomandidy (BV 323/419 # 77,09%)

Miisa 5 ireo kandida Solombavambahoaka, ka i Harson Raholijaona, kandida tsy miankina, no tena be mpifidy. 55,08% no salan’isa azony. Lavitra tokoa ny elanelam-bato satria 15,35% no azon’ny laharana faharoa, Jose Solonirina Ndimbiarisoa, izay natolotry ny vovonana Firaisankina.

Lire la suite

Articles Similaires