• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagasikara
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Efa tonga ao amin’ny Foiben’ny CENI ny voka-pifidianana rehetra

07/06/2024 16:32 © Moov

Efa tonga tanteraka ao amin’ny foiben’ny Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI) avokoa ireo voka-pifidianana avy amin’ny sampana mpanisa vato (SRMV) manerana ny Distrika rehetra. Ny avy any amin’ny Distrikan’Ambovombe Androy no farany noraisina omaly hariva.

Ho vitaina ny fikirakirana rehetra

Amin’izao fotoana izao, raha ny fanambaran’ny mpampakatenin’ny CENI dia efa voakirakira avokoa ireo vokatra avy amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 27 000. Araka ny fantatra moa dia miisa 28 124 ireo biraom-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. « Vitaina amin’ity faran’ny herinandro ity ireo vokatra avy amin’ny birao miisa arivo eo ho eo ireo. Tsy maintsy ho tratra araka izany ilay fe-potoana napetraka hoe ny 11 jona izao no hamoahana ny vokatra vonjimaika avy amin’ny CENI », hoy hatrany i Soava Andriamarotafika, mpampakatenin’ny CENI. Nanamafy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny CENI ity fa 15 andro no nomena azy ireo hanatanterahana io asa io saingy vantany vao vita ny fikirakirana izany dia havoaka ny vokatra vonjimaika. « Noraisinay avy ato amin’ny CENI izany fanapahan-kevitra izany mba hialana amin’ny fitaintainana sy ny eritreritra hafahafa mety ho teraka any amin’ireo kandida sy ny olon-tsotra », hoy hatrany ny tenany.

Mbola misy ireo kandida manao ny fampitahana

Aty amin’ny telo andro mialohan’ny hivoahan’ny vokatra vonjimaika dia mbola misy hatrany ireo kandida nilatsaka ho fidiana no tonga manao ny fampitahana ny vokatra eny anivon’ny CENI Alarobia. Anisan’ny hita teny an-toerana androany ny Kandida tsy miankina avy ao amin’ny Distrikan’Ihosy, Antsalova, ary ny avy any Vondrozo. Misy izy ireo fa efa tsy betsaka intsony hoy ny avy ao amin’ny CENI. Etsy andaniny anefa dia nanamafy ireto farany fa mandrakitra antsoratra izay rehetra fanamarihana entin’ireo Kandida fotsiny ihany no hataony. Ny eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany no afaka manova izany valim-pifidianana izany. « Azon’izy ireo hatao ny mijery indray ny taratasy fanisana ka izy ireo no tompon’ny fanapahan-kevitra farany », hoy hatrany ny mpampakatenin’ny CENI.

Lire la suite

Articles Similaires