• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Hetsika « Exposition Pédagogique » : Ho fanampiana ireo mpianatra hanala bakalôrea

07/06/2024 16:22 © Moov.Mg

Hanomboka ny 22 jolay ny fanadinana bakalôrea, na ho an’ny fampianarana ankapobeny, na ho an’ny fampianarana teknika. Ho fanomanana izany sy ho fanampiana ireo mpianatra hiatrika ity dingana lehibe ity, dia mikarakara varavarana misokatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Fampirantiana laza adina

« Exposition Pédagogique » no anarana nampitondraina ity hetsika ity, izay hotanterahina manoloana ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, manomboka ny alatsinainy 10 jona izao hatramin’ny zoma 15 jona. Iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra (CISCO) mikarakaraka ity varavarana misokatra ity. Hisy, mandritra izany, ny fampirantiana laza adina sy ny valiny. Hisy mpampianatra ihany koa, azo hametrahana fanontaniana, ka hiompana amin’ireo taranja « littéraires » ny alakamisy tontolo andro sy ny zoma maraina ary ireo mpampianatra taranja « scientifiques » no hamaly ny fanontanian’ireo mpianatra, ny zoma hariva sy ny sabotsy tontolo andro.

Mila misoratra anarana

Misy fandaminana manokana ny fahafahana mitsidika ity varavarana misokatra ity, ka manentana ireo sekoly liana amin’izany ny Kaominina mba hanatona ny ZAP (Zone d'Administration Pédagogique), maka ny andinindininy sy ny rohy ahafahana misoratra anarana. Ankoatra izay dia afaka mandika ireo "sujet type“ ihany koa ireo mpianatra, rehefa mitsidika io rohy io. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanampiana ireo mpianatra hiatrika ity fanadinana manan-danja loatra ity, sy ho fanatsarana ny tahan’ny voka-panadinana bakalôrea 2024. Misokatra isan’andro, manomboka amin’ny 8 ora maraina ny hetsika ary mikatona amin’ny 5 ora hariva. Natao ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana mianatra amin’ny sekolim-panjakana ny andron’ny alatsinainy hatramin’ny alarobia ary ho an’ireo mianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny alakamisy hatramin’ny sabotsy.

Lire la suite

Articles Similaires