• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lalambe Migodana Mtp
Image
Vaovao

Lalambe migodana : Mitohy ny asa, efa 15 km no lalana voatototra

07/06/2024 15:36 © Moov

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana ny lalambe migodana na ny « autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa teny Talatan’ny Volonondry ny Minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Efa maherin’ny 15 kilometatra amin’izao ny toerana voatototra.

Nohafainganina ny ara-teknika rehetra

Raha ny desambra 2022 no nametrahana ny vato fototra amin’ny fanamboarana izany lalana izany dia azo lazaina ho nangingina ny asa. Araka izany dia niezaka nanafaingana ny pitsopitsony ara-teknika ny avy ao amin’ny MTP. Amin’izao fotoana izao dia efa handeha amin’izay ny asa rehetra ary efa tsy misy intsony ny sakana. « Raha ny septambra 2023 teo no azo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana dia nafainganina any asa. Taorian’izay manko vao afaka nikarakara ny pitsopitsony ara-teknika rehetra. Tao anatin’izany ny fahazoan-dalana avy amin’ireo kaominina isan-tokony. Ao ihany koa ny fahazahoana ny fahazoan-dalana manao ireo asa fanamboarana ny lalana rehetra sy ny fandrefatana ny drafitr’asa ho amin’ny tapany voalohany amin’ny asa dia ny eo amin’ny teboka halaviran-dalana 0 hatramin’ny 80 », hoy ny Minisitra. Tsara ihany koa ny manamarika fa taorian’io fahazoan-dalana ara-tontolo iainana io vao afaka nahazo ny fahazoan-dalana hiasa ny fitaovana sy ny kojakoja rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny « engins » sy ireo fitaovana lehiba izay ho entin’ny orinasa SAMCRET manatanteraka ny asa.

Efa maro ny asa vita

Na dia teo aza anefa izany olana ara-potoana izany dia efa maro ihany ireo asa efa vita. Efa maherin’ny 15 kilaometatra amin’izao ny lalana voatototra tany ka efa azon’ny fiara handehanana. Manaraka izany dia efa mijoro avokoa ireo tsàtoka amin’ireo faritra mila totofana. Ireo olona manana tany amin’iny lalana iny ihany koa dia efa nahazoana ny fahazoan-dalana avokoa. Raha ny tetiandro izay napetraky ny SAMCRET dia vinavinaina ho vita amin’ny faran’ity taona ity ny fandrakofana tara ny tapany voalohany amin’ny lalana iny. Izany dia eo amin’ny 0 hatramin’ny 80 kilaometatra voalohany. Marihina moa fa mizara telo mazava tsara ny asa hatao. Ankoatra io tapany voalohany io dia mirefy 85 km tsirairay ihany koa ny tapany roa ambiny. Rehefa vita ity lalambe migodana ity dia ora 3 monja no hanaovana n’ny Antananarivo mankany Toamasina.

Lire la suite

Articles Similaires