• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rio
Image
Vaovao

E-SPORT : Hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany i JZ Rayan

07/06/2024 15:11 © Moov

JZ Rayan no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ara-panatanjahantena virtoaly efootball, any Arabia Saodita. Sambany isika no handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja e-football.

Hatramin’ny taona 2019, tsy ankiato ny ny fandresena teo amin’ny sehetra iraisam-pirenena azon’i Mamitiana RALAIVO na i Jz Rayan. Efa voahosotra tompondaka afrikanina intelo nisesy ny tovolahy. Ankehitriny, hiezaka hametraka ny toerany mandraitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ara-panatanjahantena virtoaly efootball karakarain’ny IESF # Federasiona iraisam-pirenenan’ny Esports ity ny tenany.
Firenena maherin’ny 128 maneran-tany no hifaninana ao anatin’izany. Tontosaina any Riyad, en Arabie Saoudite, manomboka ny 11 hatramin’ny faha 18 Novembra izao moa ny lalao. Omaly, 06 Jona 2024, ho fametrahana izay lentany eo amin’ny taranja e-football i JZ RAYAN. Norombahany ireo sokajy roa E-football sy EAFC tao anatin’ilay lalao e-sport séries karakarain’ny Telma Madagascar ho an’ny taona 2023-2024. Fanantanjahantena mitovy amin’ny rehetra ihany moa ny e-sport. Mendrika omena toerana mitovy amin’ireo fantanjahantena hafa ity farany, izay mitaky fanomanana ara-batana sy ara-tsaina.

Tsy misy ny fanampiana ho an’ireo mpisehatra

Mbola misedra olana maro anefa ny tontolon’ny e-sport izay eto amintsika, toy ny olana ara-pitaovana raha ny nambaran’i JZ RAYAN. Amin’izao taona 2024 izao, tsy mbola mijoro ny federasiona manokana miahy ny e-sport ka tsy hafahana mivelatra misimisy kokoa eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena. Voatery mianto-tena avokoa ireo mpilalao maniry handray anjara any ivelany ary vitsy ireo manana fahefana hanao izany.
Nanomboka ny taona 2017 no tena nisehatra tao anatin’ny e-sport i Mamitiana. Tranga nampitombo ny risim-pony ny fandresena voalohany nanoloana an’ilay tompondaka an’ny Madagasikara tamin’izany fotoana. Ankehitriny, mbola mipetraka izay toe-tsaina hioatra ireo andrarezina eo amin’ity tontolo ity izay ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires