• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fetim-pirenena sy fetin’ny Foloalindahy 2024 : Natomboka tamin’ny fomba ôfisialy androany

07/06/2024 15:00 © Moov.Mg

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany maraina ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena, tamin’ny alalan’ny fananganan-tsaina manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Narahina lanonana ara-miaramila ihany koa izany, amin’ny maha-fetin’ny Foloalindahy malagasy ny fetin’ny Fahaleovantena.

Miara-mientana ho an’ny fampandrosoana

Ny Praiminisitra Ntsay Christian no nitarika ny lanonana notontosaina androany, notronin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ireo mpikambana hafa eo anivon’ny governemanta. Lohahevitra itondrana ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona 2024 ity ny hoe : « Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana ho an’ny fitiavan-tanindrazana ». Noho izany indrindra, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany dia niantso ny Malagasy tsy an-kanavaka mba hivondrona sy hiombona ny Praiminisitra Ntsay Christian, mba hahafahana manatanteraka ny vinam-pampandrosoana an’i Madagasikara. Nanainga ny vahoaka malagasy ihany koa izy mba ho sahy hijoro sy hitondra ny anjara birikiny amin’izany fampandrosoana izany.

Fananganan-tsaina isan-tokantrano

Tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny 26 jona ny Foloalindahy, izay efa nanokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy niforonan’ny Foloalindahy. Nijoro foana izy ireo, tao anatin’ny taona maro, niaro ny fiandrianam-pirenena, hoy ny Praiminisitra tao anatin’ny kabariny. Saingy tsy izy ireo ihany, fa fotoana hahatsiarovana ireo mahery fon’i Madagasikara rehetra ihany koa, izay nanolotra ny ainy ho an’ity firenena ity, mba hametraka lova sarobidy ho an’ny taranaka, ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ny Praiminisitra. Adidintsika ny mikolokolo ny lova navelan’izy ireo sy mametraka izany amin’ny toerana avo dia avo, na inona toerana misy antsika, na inona andraikitra tazonintsika, hoy izy. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, ary isan’ny manamarika izany ny sainam-pirenena. Ny fananganana izany sainam-pirenena izany dia fihetsika tsotra nefa maneho ny fitiavan-tanindrazana, hoy i Ntsay Christian, raha nanentana ny Malagasy hametaka ny saina isan-tokantrano, ho mariky ny fankalazana sahady ny fetin’ny 26 jona.

Lire la suite

Articles Similaires